Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Antanetibe Antehiroka : Miaramila namoy ny ainy tao anaty lozam-pifamoivoizana

Temps de lecture : 1 min.

Niezaka niala mpandeha an-tongotra niampita ny arabe tampoka izy tamin’io fotoana io, kanjo niafara teny amin’ny vodin’ilay fiarabe nijanona teo amin’ny sisin-dalana. Nandriaka ny rà. Tokony ho tamin’ny valo ora alina, ny alarobia teo no nitranga ity loza nahatsiravina ity tetsy Antanetibe Antehiroka, lalana mampitohy an’i Talatamaty sy Ivato. Miaramila iray, mitondra ny galona “adjudant chef”, miasa eo anivon’ny “Corps de protection civile” etsy Ivato no namoy ny ainy tao anatin’izany. Nitondra “môtô cross” ity farany, avy eny Ivato handeha hihazo ny renivohitra. Nony tonga teo amin’io toerana voalaza io anefa, sendra nisy olona niampita tampoka teny arabe. Niezaka niala izany izy, araka ny angom-baovao azo, kanjo nifatratra teny amin’ny vodin’ny fiarabe iray, rehefa tsy voatanany intsony familiana. Ity fiarabe ity ihany koa, izay nijanona teo amin’ny toerana voarara tsy azo hijanonana tamin’io fotoana io. Marihina fa somary nandeha mafy ihany ilay môtô, raha ny hamafin’ny fifandonana no jerena. Potika tanteraka mantsy izany fitaovam-pitaterana izany, ary naratra mafy vokatr’izay dona izay ilay nitondra azy. Mbola somary be olona moa teny an-toerana tamin’io fotoana io ary maro ihany ny nahita ny loza sy niezaka namonjy avy hatrany ilay niharam-boina. Tsy lavitra teo ihany koa, nisy zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty, izay misafo tsy tapaka iny toerana iny. Ireto farany no nitondra haingana izany niharam-boina izany teny amin’ny hôpitaly teny Anosiala. Tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza mantsy dia mbola nisy aina soa aman-tsara ity miaramila ity, na dia teo aza ny ratra mafy nahazo azy. Kanjo indrisy moa, teny an-dalana ho an’ny hôpitaly moa no namoy ny ainy ilay niharan-doza, noho ny fahaverezan-drà be loatra. Efa nampandrenesina moa ny lehiben’ity miaramila ity. Ary nosokafana kosa tetsy andanin’izany ny fanadihadiana mahakasika izany loza izany. Mazava ho azy, notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana, tany amin’ny biraon’ny zandary ilay mpamilin’ilay fiarabe.

m.L