Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Kandreho : Olona telo lasan’ny dahalo

Ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo, nitrangan’ny fakàna an-keriny tao amin’ny tanàna antsoina hoe Sangampilalao, ao amin’ny kaominina Behazomaty, distrikan’i Kandreho. Araka ny angom-baovao azo dia dahalo fito lahy nitondra basy sy zava-maranitra no tonga naka olona telo tao amin’io tanàna io. Nizotra nianatsimo ny dian’ireto olon-dratsy nitondra ireo olona telo nalaina an-keriny ireto tamin’io fotoana io, izay azo heverina fa nizotra nihazo an’i Mahialambo na Bemangahazo, kaominina Andriba, distrikan’i Maevatanana. Ny ampitson’ity tranga ity moa vao nisy nampandre ny tobim-paritry ny zandary tao Kandreho. Ary tamin’izay fotoana izay ihany dia efa nisy fandraisana andraikitra tamin’ny fandefasana zandary handeha hanara-dia sy hikaroka ireo olon-dratsy fa indrindra hanavotra ireto olona ireto. Nampandrenesina toraka izany ihany koa ireo tobim-paritry ny zandary manodidina. Hatramin’ny omaly dia mbola eny an-kianja avokoa, manao ny fikarohana ireo mpitandro filaminana, raha ny vaovao azo. Nanampy tosika ireo olombelona efa eny an-toerana moa ny zandary maromaro avy eo anivon’ny vondron-tobim-paritra Maevatanana.

Nangonin’i m.L