Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

New York, Firenena Mikambana. Hiteny ny Filoha Andry Rajoelina, ny 21 Septambra 2022

Araka ny fandaminana efa narafitry ny tomponandraikitra ao amin’ny Firenena Mikambana ao New York, manodidina ny Fivoriana faratampony faha-77 -20-26 Septambra 2022- dia ny 21 Septambra 2022 no handray ny anjaram-pitenenany ny Filoha Malagasy, Andry Rajoelina.


Raha tsiahivina, dia nisokatra ny 13 septambra 2022 ny Fivoriana ankapobeny na “Assemblée générale” faha-77-ny Firenena Mikambana izay nampitondraina ny lohahevitry hoe: Kihon-dalana iray: Fotoana fitadiavana vahaolana hanovana ireo tranga isan-karazany mampifamatotra ny zanakolombelona. Anisan’izany ny aretina Covid-19; ny ady any Okraina; ny fiovan’ny toetrandro mbola tsy fahita hatramin’izay ary ny tahotra momban’ny loza mitatao eo amin’ny lafiny ara-ekonomika maneran-tany mihitsy.

Arak’izany dia ilaina tokoa ny mikaroka sy mifantoka amin'ny vahaolana iraisana amin'ireo krizy ireo hanangana tontolom-piainana milamina sy sy maharitra kokoa ho an'ny rehetra sy ho an'ny taranaky ny zanak’olombelona ho avy.

Jeannot RAMAMBAZAFY