Fanirisoa Ernaivo. Omeo azy ny zom-pirenena frantsay, Andriamatoa Macron, fa tsy hody aty Dago intsony io

Tsy hiverenako intsony ny momban’ity ramatoa efa hananinka ny 44 taona tsy gasy tsy vazaha ity fa nandositra ny firenena malagasy rehefa nanompa ny mpitandro filaminan’i Madagasikara (Dago), tamin’ny fitondrana HVM…

Izany sisa no ho tadidin’ny vahoaka malagasy maro an’isa izay manaraka tsara ny voalazan’ny Ohabolana 14 : 15 ao amin’ny Baibolin’ny Krisitiana tsy ankanavaka : « Ny kely saina mino ny teny rehetra ; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany ». Ndao ary.

Ny zom-pirenena dia iray amin'ireo singa mandrafitra ny satan'ny olona iray, izay ametrahan'ny Lalàna torohevitra eo anatrehany. Indrindra indrindra momban’ny zo hanajana ny fiainana manokana (« vie privée ») izay mila arovana amin'ny fidiran'ny olon-kafa ao amin'ny sehatry ny tsiambaratelon'ny tsirairay.

Noho izany, ny fifampidinihana sy ny fampitam-baovao momba ny angon-drakitra manokana dia tsy maintsy hamarinina fa ho an’ny tombontsoan’ny daholobe marina, ary ampiharina amin'ny fomba sahaza sy mifanaraka amin'izay tanjona izay.

Amin'izao zava-misy izao, dia manan-jo ve isika – ara-bakiteny sy ara-panoharana – hanontany tena raha marina tokoa fa ho an'ny tombontsoam-bahoaka ny famoahana amin'ny tambajotra sosialy ny zom-pirenena roa ananan'Andriamatoa Andry Rajoelina ? Tena mahasoa ny vahoaka ve izany sa mifanohitra amin'izany, ka tombontsoa manokana na/sy ara-politika mihitsy aza no mibaiko ny lalin-tsaina nanao izany ?

Ary izany, volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena ka mahatonga ny sasany mazoto amin’ny fanilikilihana ny Filoha amin’izao fotoana izao ? Ka dia adika vilana ny andininy faha-46 ao amin’ny Lalàmpanorenana malagasy izay milaza fa “izay kandidà rehetra misahana ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy maintsy mizaka ny zom-pirenena malagasy (…)”. Tsy misy filazana mihitsy ao fa hoe zom-pirenena malagasy IRERY IHANY.

Ary dia arosy koa ny voalazan’ny andininy faha-42, Lohateny faha-3, toko voalohany amin’ny didim-panjakana laharana faha-60-064 tamin’ny 22 jolay 1960, mikasika ny fizakana zom-pirenena malagasy : “Very zom-pirenena Malagasy, ny Malagasy ampy taona izay mangataka zom-pirenena vahiny an-tsitrapo”.

Io fepetra noraisina taoriana kelin'ny fiveranan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara io anefa dia zara raha nampiharina, hany ka tsy nampiasaina intsony mihitsy aza ka lasa toa haingon-dalàna sisa. Ary tsy eto Madagasikara ihany. Iangaviako ianareo mpamaky tia fahamarinana hitodika amin’ny lalànan’ny zom-pirenena any Espagne, Allemagne ary Belgique. Ao amin’ity firenena farany ity dia izao no voalazan’ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena Belze ao amin'ny andininy faha-22, andalana 1, 1° : "Izay Belze rehetra tonga eo amin’ny faha 18 taona, ka mangataka zom-pirenena vahiny an-tsitrapo, dia manary ny maha Belze azy". Torak’izany ny any Espagne sy Allemagne, kanefa tsy nampiarina mihitsy izany tany fa lasa haingon-dalàna fotsiny ihany.

Mazava ho azy fa saika “copié-collé” amin’ny lalàna malagasy ireo, fa tsy misy mahafantatra hoe iza marina no nandika nitovy an’iza.

Na izany na tsy izany, ny ankamaroan'ny Fanjakana eto amin'izao tontolo izao dia manaiky ny fanànana zom-pirenena roa na mihoatra ao aminy. Eny, na dia tsy mbola nisy fiovana mazava aza ny lalànan’izy ireo. Ary ny zom-pirenena roa na mihoatra dia tsy mametraka olana intsony eo amin'ny lafin'ny lalàna iraisam-pirenena sy mikasika ny filaminana anatiny ao amin'ny firenena tsirairay.


Anisan’izany isika eto Madagasikara hatramin’izay, raha tsy mikasika an’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa (13 avrily 1906 - 09 may 1979) izay nandimby ny Filoha Philibert Tsiranana, ny taona 1972. Tsy vitan’ny hoe nanambady frantsay vavy izy fa sady nizaka zom-pirenena frantsay sy malagasy izy. Mbola tsy teraka i Fanirisoa Ernaivo tamin’izany. Sa nataony nahita « niaraka tamin’ny vava » koa raha teo izy ? Eto Madagasikara dia tsy misy mihitsy lalàna manery ny olom-pirenena hanao fanambarana amin’ny sata sivily (« Etat-civil ») fa manana zom-pirenena hafa izy, ka hafahana milaza fa « manao fanambarana diso » na « fandikan-dalàna amin’ny fanadinoina ninia natao ».

Marina fa ny Filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany dia afaka manome ny atao hoe : « Certificat de nationalité malagasy ». Fa tsy voarakitra ao anatin’ny lalàna malagasy kosa anefa ny mikasika ny zom-pirenena roa na mihoatra izany. Tsy misy ihany koa ny taratasy manamarina (« Certificat ») izany.

Tena lalàna marina ve no nianaran-dry Fanirisoa Ernaivo sy Eric Rafidison ? Mampanontany tena tokoa an !... Fantatr’izy ireo ve, ohatra, fa ny Lalàna frantsay dia tsy manery olom-pirenena hafa lasa nizaka zomp-pirenena frantsay, hanary ny zom-pirenena niavinany ? (« La loi française n'exige pas qu'un étranger devenu Français renonce à sa nationalité d'origine »). Mazava be izany fa tsy voatery miaro ny tombontsoan’i Lafrantsa mihitsy ny Filoha Andry Rajoelina. Mafy ilay lainga fa ravan’ny Fahamarinana hatrany.

Tokony ho fantan-dry Faniry sy Eric kosa aloha fa misokatra ho an'ny mpanao lalàna, ary amin'ny fotoana rehetra, ny fanovana ny voarakitra teo aloha, na fanafoanana azy ireo mihitsy aza, raha ilaina, ka soloina amina fepetra hafa mifanaraka amin’izao vaninandro misy izao. Ary tsy misy manakana ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona tsy hizotra amin’izany mihitsy.

Izany dia tafiditra amin’ilay hoe « parallélisme des formes » azo adika amin’ny hoe fitovian’ny endri-dalàna. Ka na didy iray aza dia ampy hanitsiana mazava ny didy tamin'ny 1960, izay sady tsy niasa no tsy nampiarina mihitsy nandritra izay 63 taona izay. Fa tampoka teo dia indro ry « lalin-tsaina manam-pahaizana fara-tampony » fa nitsangana ka dia nanandrana toe-javatra tsy ho voafehiny mihitsy satria loza foana ho an’ireo niavihan’ny fanafintohinana (« malheur à ceux par qui le scandale arrive »). Nalefa daholo ny tsaho sy lainga rehetra azo atao handavoana an’i zandry kely ! Ny marina anefa marina ihany ary tokana tsy azo forononina.

Andriamatoa Macron : homeo azy ny zom-pirenena frantay andrandrainy efa ela ihany, na dia tsy mendrika izany izy, fa mba « niady » ihany e ! Ho an’iza anefa ? Raha tsy izany kosa anie ho lasa « apatride » izy e ! Angaha ho sahy hiverina eto Madagasikara moa ? Mafy anie ireto izany enjehin’ny eritreritra izany e ! Mahavita ny tsy fanao mihitsy. Dia io i Fanirisoa Ernaivo porofo velona. Ny mba any isaorana azy ? Dia ny nandavoany an’i tompon’ny hotely A&C, Claudine Razaimamonjy, tamin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina. Fa dia naninona azy loatra re ny Filoha Andry Rajoelina e ?

Samia ela velona isika rehetra hahalana ny tena anton’izany lova ratsy apetrany ho an’ny taranany tsy ho gasy tsy ho vazaha raha izao no mitohy.

Jeannot Ramambazafy – 1 Jolay 2023


Football news:

<!DOCTYPE html>
Kane on Tuchel: A wonderful man, full of ideas. Thomas in person says what he thinks
Zarema about Kuziaev's 350,000 euros a year in Le Havre: Translate it into rubles - it's not that little. It is commendable that he left
Aleksandr Mostovoy on Wendel: Two months of walking around in the middle of nowhere and then coming back and dragging the team - that's top level
Sheffield United have bought Euro U21 champion Archer from Aston Villa for £18.5million
Alexander Medvedev on SKA: Without Gazprom, there would be no Zenit titles. There is a winning wave in the city. The next victory in the Gagarin Cup will be in the spring
Smolnikov ended his career at the age of 35. He became the Russian champion three times with Zenit

3:00 Petite enfance : Les comptines malgaches disponibles en livre sonore 
3:00 Douanes : Les bureaux resteront ouverts malgré l’annonce de grève
21:00 Ça va le délestage ?
21:00 C’est important les études et l’éducation
21:00 Un Français qui utilise un logiciel pour espionner les Malgaches à Madagascar
3:00 Anosy – Mahamasina – Analakely : Barrages des forces de l’ordre face au collectif des candidats
21:00 … et le 13 mai à partir de lundi donc
20:30 Herimanana Razafimahefa : « Je suis toujours disposé à prendre mes responsabilités »
3:00 Septième art : La Maison du cinéma malagasy voit le jour
21:00 La confiance au pays endémique
3:01 Une nouvelle ère de sécurité financière découle de l’alliance stratégique entre SANLAM et la PAMF Madagascar
3:00 Sécurisation des élections : 2 milliards Ar d’indemnités pour les forces de l’ordre
4:00 IES-AV : Bientôt Université de Vakinankaratra, selon le président de l’Université d’Antananarivo
3:00 Ratsilahy : Un clip en attendant l’opus
3:00 Slam : Nicolas Séguy dans nos murs
21:00 Ça va la veste, pas trop usée ?
3:00 Élection présidentielle : Un report du premier tour de scrutin  en gestation
3:00 Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana : Tafapetraka ny « dinan’Anjozorobe miray »
21:00 C’est compliqué une base de données
3:00 Quand comité de soutien rime avec tableau de chasse
21:00 Pourquoi je vous bassine tout le temps avec le Geniies ?
14:00 C’est rigolo toutes vos gesticulations là
3:00 UPAR : Nouvelle plateforme de soutien à Andry Rajoelina
11:41 France-Madagascar. Philippe FAIT, député élu en 2022, pris sur le… fait d’une ingérence intolérable sans queue ni tête
17:43 Sylvain Willy Rabetsaroana : «Ny vahoaka anie ny tompon’ny teny farany e !»
5:32 MADAGASCAR. C’est le Premier ministre Ntsay Christian et son Gouvernement qui dirigeront les fonctions de Chef d’Etat par interim, selon la Constitution.
5:00 La malédiction endémique
3:00 Arema : Annick Ratsiraka a retiré sa candidature
3:00 Bousculade à Mahamasina : Les familles des victimes reçues à Iavoloha
15:42 Romi Andrianarisoa plaide non coupable devant la « Crown Court de Southwark ». Procès en février 2024
7:22 LONDRES. AFFAIRE ROMI ANDRIANARISOA ET PHILIPPE TABUTEAU. RAPPELS DES FAITS PAR LA NATIONAL CRIME AGENCE (NCA) BRITANNIQUE.
4:59 Ancienne Commune Yanshen à Zibo: Un four millénaire vivant
21:00 Moi en 2023 ma vie me va très bien …
3:00 Andry Rajoelina candidat : Nouveau défi électoral pour le couple présidentiel
3:00 Eliminatoires CAN : Les Barea affrontent les Palancas Negras, ce jour
21:00 Alors, cette navette spatiale ?
16:00 Vous reprendrez bien un deuxième petit mandat pour la route ?
3:01 Sur la ville jumelée – District de Boshan à Zibo, Shandong : Une ville montagneuse qui mérite l’admiration soigneuse de tous
3:00 Andry Rajoelina : Déclaration et dépôt de candidature ce jour
21:00 Toutes ces morts violentes au pays endémique
3:00 Siteny Randrianasoloniaiko : Un élu parrainé par des élus 
3:00 Gabon, vrai faux coup d’Etat ?
7:00 Quand le tape à l’oeil réduira la pauvreté
12:19 Maman Julia Rabetsaroana Rabefanonta née Ravaosolo. Quelques photos de ses obsèques, le 30 août 2023
5:35 Plume de P : Nos enfants
3:00 Coupures d’eau et d’électricité à répétition : Les habitants d’Ambatolampy Antehiroka manifestent
3:00 Assainissement d’Antananarivo : Le MEAH et le gouvernorat d’Analamanga à la rescousse de la CUA pour une « opération coup de poing »
21:00 En 2018 la HCC a proclamé la liste des candidats le 22 août
5:27 Histoire de la Cité Amicale I : Bienvenue à Zhangdian – Quartier central de Zibo de la Province du Shandong
5:18 Campagne de vaccination Polio par le ministère de la Santé publique
18:38 ASSOCIATION MIANDRA. Fikambanam-behivavy ao Manakara mamokatra vary evoka « ALIZE »
18:21 JIFA 2023 : La Ministre Soafilira Princia lance un appel à toutes les parties prenantes
3:00 Jeux de la Francophonie – Athlétisme : Sidonie Fiadanantsoa remporte l’or du 100 m haies
3:00 Kung-fu : « Grand Maître Pierre be reviendra  » selon ses disciplines
21:00 Tribune libre : un simple renouvellement de passeport
3:00 Hajo Andrianainarivelo : Candidat déclaré à la Présidence    
3:00 Raharaham-pitsarana eto Toamasina : Nidoboka am-ponja Rtoa Sidney Ericka
3:00 Jeux de la Francophonie – Basket : Madagascar qualifié en quarts
3:00 Rallye – Détection de jeune talent : Sam Eva réalise le meilleur temps
21:00 Très bien ce Kianjan’ny hiragasy
21:00 Intéressant ce qui se passe au Niger
3:00 9es Jeux de la Francophonie : Place aux courses aux médailles
3:00 Judo – Championnats d’Afrique : Les cadets entrent en lice, ce jour
21:00 Les listes électorales c’est pas seulement un fichier à “auditer”
3:00 Un débat démocratique et raisonné mis en place
3:00 Marc Ravalomanana à la rencontre de la CENI : « Mise en garde contre la manipulation électorale »
21:00 “J’en ai marre de Madagascar”
3:00 JIOI : 2 milliards des partenaires et sponsors
3:00 9es Jeux de la Francophonie : Fabio Rakotoarimanana en porte drapeau
21:00 Très bien ce train urbain
16:37 Dar es Salaam. Le Président Andry Rajoelina au Sommet du Capital humain en Afrique: « Il faudrait investir énormément sur les Jeunes »
8:38 Tanzanie. Capital Humain. Réalités révélées par le Dr Philip Isdor Mpango
3:00 Sakaraha : Un pasteur attaqué par des dahalo
3:00 Fuite de sujets au Bacc : Le Pr Assoumacou Béatrice convoquée pour une audition au Sénat
21:00 Ô ry Prezida a, sao dia tratra farany eo
3:00 PPN : Poursuite de la distribution de « VaryTsinjo » à Antananarivo
21:00 J’ai envie de voter pour un “côtier” pour les prochaines élections
3:00 Soavinandriana : Hosoka tamin’ny « bacc », mpampianatra iray nosamborin’ny pôlisy
3:00 Mariage arrangé ou par consentement mutuel ?
23:39 11es Jeux des Iles : Le clip officiel de l’hymne revisité dévoilé
23:00 Parish : La nouvelle voix 
22:42 BEPC : Taux de réussite national de 61,19% 
21:00 Ça coûte cher d’être pauvre
16:26 Coffi Agossou, OIT: "la justice sociale pour tout le monde mettra fin aux travaux des enfants"
9:35 Madagascar élections 2023. 11.014.836 citoyens officiellement inscrits sur les listes électorales
3:00 Analavory : Trois bandits, réputés dangereux, abattus par la gendarmerie
3:00 Antsirabe : Tranobe nirehitra, nisy maty
3:00 Mahabo : Zaza amam-behivavy miisa 9, notazomin’ny dahalo an-keriny
3:00 Siteny Randrianasoloniaiko à Bruxelles : Appel à la démission du gouvernement
3:00 MIDIRAMA : Une opinion sensible aux controverses actuelles
21:00 Délestages = mauvaise gouvernance
3:00 Ampefy : Tongan’ny dahalo koa, raikitra ny tifitra
3:00 Fanondranana vehivavy : Olona 14 nosamborina teto Tana
21:00 Mais qu’est-ce que vous avez fout* pour mériter toussa ?
6:19 Fanirisoa Ernaivo. Ny antony naha voaraoka azy tsy ho mpitsara malagasy intsony mandrakizay
5:30 Mes sauts d’humeur : Pour tuer
21:00 Le long fleuve pas tranquille vers les élections
20:47 Alasora : Nisy nanaparitaka fantsika ny lalana
15:23 Gascar Fenosoa. Aza misalotra ny asa masina tsy voafehy fa maha be fahavalo
3:00 Jeux des Iles : Des experts chinois, pour les cérémonies d’ouverture et de clôture