Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana : Tafapetraka ny « dinan’Anjozorobe miray »

Manoloana ny trangana tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny distrikan’Anjozorobe toy ny fakana ankeriny sy ny halatr’omby dia nisy ny fametrahana ny « dinan’Anjozorobe miray ». Tao amin’ny kianja Lycée Anjozorobe no nanolorana izany dina izany tamin’ny fomba ofisialy izay tsara ny manamarika fa efa nahazo fankatovana avy amin’ny ministeran’ny Fitsarana. Ny lehiben’ny distrikan’Anjozorobe, Jean Jacques Pierrot ny CB ary ireo ben’ny tanàna 19 izay mandrafitra ity distrika ity no nitarika ny lanonana tany an-toerana. Araka izany dia nihatra nanomboka ny sabotsy teo ity dina ity izay misy komity isam-pokontany sy isakin’ny kaominina. Raha ny mahakasika ireo takalon’aina 11 izay eny ampelatanan’ny dahalo dia tsara ny manamarika fa mbola tsy navotsotra izy ireo hatramin’ny ora nanoratanay. Ankoatr’ireo dia mbola nisy ny trangana fakana takalon’aina ny zoma lasa teo tao amin’ny kaominina Mangamila. Ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny folo ora alina ihany koa dia nisy ny fakana takalon’aina tao amin’ny kaominina Amboasary, fokontany Ankidodona ka olona telo no lasan’ny dahalo tamin’izany izay vehivavy, ankizy ary olon-dehibe. Mampaneno lakolosy mahakasika ny trangana tsy fandriam-pahalemana ireo fokonolona sy ireo ben’ny tanàna voafidy tany an-toerana. 

Sazy

Maro ireo sazy mihatra amin’ny olona mandika lalàna voasoritrin’ny dina. Ohatra amin’izany ny tsy fananana karapanondro sy ny tsy fananana karinem-pokontany  izay samy  mahavoasazy 20 000 ariary. Ny fivarotana zava-pisotro misy alikaola tsy nazahoana alalana dia mahavoasazy 100 000 ariary raha toa kosa ka 200 000 ariary ny fanaovana loka tsy nahazoana alalana amin’ny faritra voarara. Ny fanorenana toeram-pitobiana na toeram-pilasiana tsy nahazoana alalana dia handoavana 100 000 ariary. Raha ho an’ny fitantanana ny mponina indray dia handoavana 40 000 ariary sy fandroahana ny tsy fisoratana anarana alin’ny rejisitrin’ny fanisam-bahoaka ao anatin’ny fito aorian’ny fahatongavana. Ny tsy fanaovana fanambarana sy tsy fanoratana ny vahiny ao anatin’ny bokim-bahiny mihoatra ny indray alina dia handoavana 10 000 ariary ho an’ny mpampiantrano. 100 000 ariary kosa no alohan’ny mpampiantrano raha toa ka misy zava-miseho avy amin’ilay vahiny tsy fanta-pototrin’ny mpiray dina tao amin’ny mpampiantrano. Ny fandehanana alina ivelan’ny amin’ny 9 ora, tsy fanta-pototra dia handoavan’ilay vahiny na ilay mpampiantrano 10 000 ariary. 

Narindra Rakotobe