Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Alasora : Nisy nanaparitaka fantsika ny lalana

Soa fa haingana ny fifampizaran’ny olona vaovao tamin’ny tambajotra sosialy ary mba samy nandray ny fepetra nifanandrify taminy ny tsirairay. Ny alin’ny alatsinainy teo no nitrangan’ity toe-javatra hafakely ity. Fantsika alentika anaty « éponge » ary mivoaka amin’ny lafiny roa ny vy. Izany hoe raha vao mandalo amin’izany ny kodiarana, na moto io na fiarakodia, dia vaky avy hatrany ary inoana fa mijanona. Eo angamba no hiditra an-tsehatra ny jiolahy ary hanafika izay tavela. Mailo anefa ny olona noho ny fiparitahan’ny vaovao haingana ary tsy mba nisy niharan’izany. Nandray ny andraikiny koa ny mpitandro ny filaminana ary samy nanala ireo fandrika hita ary nanao fisafoana teo amin’ny manodidina sy teny amin’ny làlana rehetra teny. Gafy ve sa tena fanafihana tokoa no kendren’ireo tompon’antoka amin’izany? Mila voasambotra aloha ny sasany amin’izy ireo mba hahitana izay tena marina ao ambadik’ity raharaha ity.

D.R