Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Ambatofotsy. Fanagejana tany. Nanao ny fanaony indray ny vondrona Filatex tsy maty manota

Fa iza marina no tompon’ity Madagasikara ity e ? Iray volana latsaka izay, rehefa sendra nandalo teny Ambatofosy teny aho, amin’iny lalana mitsofoka ho any amin’ny fokontanin’i Tsiafahy iny, dia variana fa ery alavitra ery misy fefy lava be sy ireny “guérites” ireny manodidina azy. Ao anatin’ireo fefy ireo anefa misy omby, misy tanim-boly isan-karazany. Raha mandeha any amin’ny RN7 eo amin’ny tetezana anefa dia tsy tazana izy io. Rehefa sendra nanontany ny olona aho dia hoy ireo tantsaha : “An’izany Filatex izany io”.


Ny 24 septambra 2022 ary, dia niverina teny an-toerana aho ary nidina tamin’iny làlana mankany Andramasina iny. Izany hoe mandalo ambanin’ilay tetezana be eo Ambatofotsy. Afaka ny tetezam-bao mandingana ny Sisaony, eo amin’ny PK17 ligne TA, dia io ilay rindrindra be sy ireo “guérites” (toerana avo ho an’ny mpiambina hahitany lavitra). Talanjona aho rehefa nanatona satria izao no voasoratra : Tsy azo idirana omby, olona, byckleta. Tandremo 5000 raha tratra.

Ny olona izay nanontaniana moa dia toa matahotahotra daholo fa rehefa niteny aho fa mpanao gazety ka nampiseho ny karatra maha matihanina aho, dia mba nisy ihany no nilaza ny alahelony. “Izany Filatex izany no nanao ireo fefy ireo. Tsy fantatray no nahatonga izao, efa tamin’ny heritaona kanefa misy tanin’ny dadanay amin’ireo voafefy ireo”. Io no mamintina ny zava-misy. Ary raha hajanona amin’izao ny fanadiadiana dia toa tsy misy porofo tokoa fa ny vondrona Filatex no nanao ireo satria tsy misy soratra mihitsy milaza izany.

Fa izao: efa ho 40 taona mahery aho no mpanao gazety mpikaroka. Tsy mora izany manao fikarohana izany, indrindra eo anatrehina vondrona tena matanjaka be... Saingy na dia matanjaka be toa inona aza, mipoitra foana ny marina satria tsy azo afenina mihitsy. Ary dia hitako ny momba io tany midadasika voafefy ao Ambohimamory Ambatofotsy io. Fa tena loza amin’atambo tokoa no ataon’ity Filatex ity izay mody miseho “malala-tànana” amina sehatra hafa. Tsotra ny fombany: dominy tapany ny mpitondra eto Madagasikara handoa erany.

Tsy fantatra mihitsy, hatreto, hoe iza ny Malagasy manampahefana niray tsikombakomba tamin’io vondrondra io, eo amin’ny sehatry ny fananan-tany, fa dia io ambany io no hitako na dia mody adiresy hafa no nanaovany azy ao amin’ny Internet. Atao lavanty tsotra izao io toerana io ! Loza anie izany ry ireto a !

Un terrain situé à Ambatofotsy Ambohimamory idéal pour implantation d’une ferme ou un Ranch, d’une surface totale de 10.530 m2

A vendre,

Un terrain situé à Ambatofotsy Ambohimamory idéal pour implantation d’une ferme ou un Ranch, d’une surface totale de 10.530 m2

Prix : 13.000Ar le m2

Pour plus d’informations, veuillez nous contacter par mail à l’adresse Cette adresse email est protégée contre les robots des spammeurs, vous devez activer Javascript pour la voir. ou écrivez nous directement sur notre page.

“REA, le partenaire qui est là”

#REA #realestateagency #terrainàvendre #ambatofotsy_ambohimamory #agenceimmobiliere #digitale

Ny dikan'io ambony io amin’ny teny Malagasy dia izao:

Misy tany amidy ao Ambohimamory Ambatofotsy azo hanaovana “ranch” (toa any Etazonia ireny) na “ferme”, mirefy 10.530 m². Ny vidiny dia 13.000 ariary ny metatra tora-droa. Dia manome fomba hafahana mifandray amin’ilay hoe agence REA izay tsy iza akory no ao ambadika fa ny vondrona Filatex ihany. Ny 22 Avrily 2021 io dokambarotra io no efa tao amin’ny Internet. Hilaza indray ingahy Abdoulrassoul Yavarhoussen sy ny tarany fa nolovainy tamin’ny razambeny io tany goavam-be io ? Mbola ho avy eto amin’ny Madagate ny Tantaran’ireo Karana tonga teto Madagasikara ireo.

Ary tsy aiko aloha ianareo, n’inona n’inona ny finoanareo fa izaho resy lahatra fa misy Andriamanitra. Rehefa nody aho, io 24 septambra 2022 io, dia nipoitra tao amin’ny Tv Plus Ingahy Pierre Houlder Ramaholimasy, mitana ny ministeran’ny hoe « Aménagement du Territoire et des Services fonciers » (Fanajariana ny tany sy sampana momban’ny fananan-tany).


“Ity tanin’i Madagasikara ity dia 10 tapitrisa “parcelles” izay tokony hoe manana tompony ny tany rehetra. IZA NO TOMPONY ? NY MALAGASY REHETRA. Hatreto dia ny ampahadimin’izay fotsiny no voasoratra hoe misy tompony. Ny dikan’izany: ny ankamaroan’ny Malagasy tsy manan-tany, VAHINY ETO AMIN’NY TANINY IZANY NY MALAGASY. Dia izay no anaovana ezaka goavana, efa an-taonany maromaro, fa ny FILOHAN’NY REPOBLIKA, amin’izao fotoana izao dia MAMETRAKA HO LAHARAM-PAHAMEHANA HOE : ALEHO NY TANY HO AN’NY VAHOAKA MALAGASY. Dia anisan’ny fomba hanatanterahana an’izay ilay mahazatra antsika, ilay titra. Izay olona efa manana tany dia mankany amin’ny “domaines” mikarakara titra. Fa misy koa ilay hoe kara-tany. Araka ny lalàna izay nolaniana vao tato ho ato, dia tsotra: kara-tany dia afahan’ny tantsaha mahazo tany. REHEFA NANA –BEVOHO NY TANY IANAO, TAO ANATIN’NY DIMY TAONA, DIA ANAO NY TANY.

Izany ? Mora no miteny fa tokony mba midina any Ambohimamory Ambatofotsy izany ianao Andriamatoa Minisitra Pierre Houlder. Satria raha io hitako io aloha dia mampiteny ny moana tokoa… Sa tena sarotra ny “miady” amin’ny Filatex? Tsipihiko koa fa amin'izao fitondrana izao no mitranga io fa tsy tamin'ny fitondrana teo aloha mihitsy.

p

Efa nisy raharaha mitovitovy amin'io koa tany Atsinana tany, ny volana desambra 2021. Nofefen’ny Filatex ny tany ao Amboditandroroho Toamasina II ary tsy afaka niditra tao intsony ny mponina any an-toerana. Mbola teny amin’ny Tribonaly anefa ny ady momba ity tany ity tamin’izany fotoana izany. Asa izay tohiny fa tsy hita ianao tamin’io raharaha io Andriamatoa Minisitra… Ary izaho mino fa misy toa io any an-toeran-kafa satria 587.000 km² mahery anie ity Nosy malalan-tsika ity e !

Amin'izao fanagejana tany izao dia ho gaga ve isika raha miakatra an-drenivohitra daholo ny Tantsaha, na lahy na vavy, mivarobarotra eraky ny "trottoirs" satria ny tany tokony hovolena aza lasa amidimidin'ny vahiny toa izao!? Ny "bizna" maizina mampigadra moa tsy lazaina intsony...


Raha hiverenako ny mikasika ny Filoham-pirenena dia vaka koa ny saiko. Na tiana na tsy tiana dia olon’io Filatex io no notendreny ho Tale eo akaiky eo, ny volana novambra 2021. Tsy iza izany fa ry Anne Muriel Rahaingonjatovo sy Mercedes Ratsirahonana. Voalaza izy roa ireo fa hoe “expertes en communication et en relations publiques”. Asa, samy manana ny communication-ny tokoa angaha? Fa raha resaka « communication institutionnelle » (serasera ara-mpanjakana, indrindra eo anivon’ny Prezidansy) aloha dia aotra satria tena manimba ny Filoha Rajoelina tokoa ny zava-misy. Omeko ohatra ianareo.

Rehefa vita ny anjara fitenenan’ny Filoha malagasy dia noraisin’ny Sekretera jeneraly, Antonio Guterres, izy toa ireo Filoha sy mpitondrana fanjakana avy amina firenen-kafa. Izaho tsy manoratra raha tsy misy porofo mazava.

Rehefa vitany fihaonana dia fomban’ny ao amin’ny Firenena Mikambana no manao « readout » na famintinana ny resaka natao. Io tsy fisekosekoana na fanatizana resaka mihitsy fa filazana y zava-nisy marina.


Ny Filoha Andry Rajoelina aza dia nanana fanetrehan-tena azo deraina mihitsy satria izao manaraka izao ny azy no nolazainy. Nosoratany ny marimarina tokoa.


Io ambony io dia ampy tsara nahafehy ny fihaonana. Tsy hampiana, tsy hanalana. Io no tokony narafitra ho fanambarana ofisialy. Fa rehefa nivoaka ilay “communiqué de Presse” hoe « ofisialy » dia ny tena no menatra satria isam-bola mbola any an-kibon’omby hatrany no asongadina. Tsy fantatr’ireo “expertes en communication” ny hoe “continuité de l’Etat” fa izany nianarany tao amin’ny Filatex (dokambarotra) no ampiariny momban’ny fitananana ny Firenena malagasy.

Ny momban’ny “Fonds vert pour le Climat” sy ny “UNEP” no tokony nazavaina fa tsy resaka “100 milliards de dollars” izany. Ilay lohateny koa aloha dia tsy izy mihitsy: “Rencontre fructueuse” aminy ahoana ? Maninona no tsy asiana dika-teny malagasy koa izy io? Sa natokana ho an'ny vazaha?

Tsy masiaka mihitsy aho fa reko eny ho eny ny hoe : “tafiditry ny Filatex ny fitondrana fara-tampony ao Madagasikara”. Asa re… Fa ho an’ny Filoham-pirenena manokana io sary ambany io.


Ho an’ireo zatra mampiady, tsotra : efa ela aho no minisitra raha izay fotoana lasa izay. Fa tsy Rolly Mercia no anarako... Fa izao : tamin’ny taona 2002 dia izaho irery no mpanao gazety nentin’ny Filoha Ravalomanana tao Johannesburg mikasika ny “Sustainable Development Summit” nokarakarain’ny Firenena Mikambana. Saingy niova ny lehilahy nanomboka ny taona 2006. Na ny teny “Fahamasinana” aza tsy nivoaka ny vavany intsony hataramin’izao.


Fony nilan’i Marc Ravalomanana kisa ny Dg an’Injet, 18 taona lasa izay, mikasika ny “panneaux publicitaires” teo Antanimena, ny taona 2004, efa ela aho no mpanao gazety ary nanoratra momba izany; fony lasa Ben’ny Tanànan’Antananarivo ny Dg an’Injet, teo aho; rehefa nitraotra ny vahoaka ny taona 2009 -ary resaka tany ihany koa tamin’izany- teo aho ary saiky maty teo Antaninany tsy mety satria ny nenina any am-parany any foana no handatsa. Raha tsy hoe angaha mihevitra mihitsy ny sasany fa dokambarotra tokoa izany hoe mitondra firenena izany ?.. Amiko aloha dia miala avy amin'ny ideolojia sy tsy fivadihana ("Fidélité") ny fitondrana firenena iray. Taiza daholo ireo manodidina ny Filoha sasany izao, tamin'ireo andro sarotra ? Tsy nisy niaina izany tolona izany na ny iray. Tsy mahagaga raha manondrana rehefa notendritendrena. Satria, mamerina aho : tsy midika inona izany be diplaoma izany. "Théorie" no betsaka -ary malama vava tokoa- fa rehefa tena anao "actions", dia mibaribary ny tsy fahampian'ny "pratiques". Ary mandany angovo manilika ny tsy fahaizan'ny tena amin'ny hafa hatrany.

Diniho tsara izany rehetra izany satria higadona ny 2023... Aza misy mihevitra mihitsy, hatreto, fa ho mora ny raharaha. "Militants" no ilaina fa tsy "beaucoup paroles" miandry baiko fotsiny na koa miseho manao kanefa manaotao foanano vokany dia i anona no nananona...

Jeannot RAMAMBAZAFY

Antananarivo, 25 Septambra 2022