Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Ampefy : Tongan’ny dahalo koa, raikitra ny tifitra

Mananika tanan-dehibe ny dahalo.

Toeram-pitsangatsanganana no nahafantarana an’Ampefy hatramin’izay. Betsaka ny vahiny mpizaha tany izay voasontona hitsidika azy, indrindra koa nojo ny fisian’ny ranomafana natoraly ao Geyser, eo amin’ny fokontanin’Amparaky. Teo indrindra anefa no raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary sy ny dahalo. Ary fifandirana mafy izay niafara tamin’ny fahafatesan’ny dahalo telo tamin’ireo efatra izay nitondra basim-borona sy famaky. Raha araka ny fanazavan’ny zandarin’ny Miarinarivo dia hangalatr’omby sy hamono ny andrimasom-pokonolona no nokendren’ireo dahalo ireo. Soa anefa fa nisy nahatsikaritra mialoha ka nahavita nampandre haingana ny manam-pahefana. Vetivety arak’izany dia tonga teny ampoton-tsofin’ny zandary ao Analavory ilay fikasan-dratsy. Efa nivonombonona ihany ny vatan-dehilahy rehetra tao an-tanàna saingy noho ny fahafantarana fa mitam-basy ireo jiolahy dia nanapa-kevitra ny zandary ny nandeha irery. Tonga ara-potoana tokoa satria teo amin’ny efa saika hikapa famaky ny lehilahy sasany izay nandeha an-tongotra iny alin’ny alarobia iny ireo dahalo no tonga ny mpitandro ny filaminana. Raikitra ny tifitra fampitandremana izay tsy nampitsoaka ny olon-dratsy. Voatery nampiasa hery mba ho fiarovana ireo olona saika hovonoina. Maty tao anatin’izany ny dahalo telo raha tafaporitsaka tao anaty haizina kosa ny fahefatra farany izay niaraka tamin’ny basim-borona. Raha ny fantatra dia efa tonga hatramin’ny eritreritra ny hitsoaka tao an-tanàna ny mponin’Ankazomasina noho ny fahafantarana mialoha ny hisian’ny fanafihana azy ireo. Saingy mba voafehy mialohan’ny fotoana ny fikasan-dratsin’ireo dahalo. Nohamafisina ny andrimasom-pokonolona vao nisy ity tranga ity satria samy mailomailo ny amin’izay mety ho valifatin’ny naman’ireo dahalo. Eny, tena efa tongan’ny dahalo Analavory, Ampefy izay toeram-pitsangatsanganana fa tsy dia feno omby ompiana loatra.

D.R