Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

ASSOCIATION MIANDRA. Fikambanam-behivavy ao Manakara mamokatra vary evoka « ALIZE »

Ny «Association  MIANDRA », izay Fikambanam-behivavy avy ao Manakara, faritra Fitovignany, dia mandray anjara amin’ny varotra fampirantiana ao FIER-MADA etsy kianjan’ny Makis Andohatapenaka Antananarivo, ny 2 ka hatramin’ny 6 aogositra 2023.


Mampiavaka azy ireto, amin’izao fampirantiana izao, ny fampafantarana ny voka-bary nohavaozina dia ny vary evoka (« riz étuvé ») « ALIZE » araka ny fanazavana nomen-dRamatoa Fenosoa Marie Florence, Filohan’ny Fikambanana « MIANDRA ».

Natao ampihena ny vola mivoaka amin’ny fanjifana ny vary no antony nanaovan’ity fikambanana azy ity, vary anisany mitombo voa-bary rehefa andrahoina. Voatazona ao anatin’ny tsirony ireo karazana otrik’aina (toa vitamina B1, ny singa mineraly), mateza an-kibo ary afaka hohanin’ireo izay misy diabeta. Azo tehirizina ela noho ny vary fotsy ihany koa.

FOMBA FIKARAKARANA MIALOHAN’NY HANOMEZANA AZY AMIN’NY MPANJIFA

Rehefa miakatra avy eny amin’ny tanimbary ireo vary, dia efa misy fitaovana manokana ho fanodinana azy ho lasa vary nohatsaraina. Izany hoe fikarakarana azy ara-teknika no mahalasa azy ho varu evoka. Avy eo dia masahana amin’ny entona am-pombo ary hamainina dia totohina ho lasa vary fotsy azo hohanina avy eo.

Ny karazam-bary rehetra dia azo hatao amin’ity vary evoka ity saingy nosafidianana manokana ny vary mailaka. Ny rivotra mitsioka avy Atsimo Atsinana any amin’ny Faritra Fitovignany kosa no nampitondrana azy ny anarana hoa « ALIZE ».


Mandritra ny foara FIER-MADA dia efa misy amin’ny « sachets » iray kilao sy dimy kilao ity vary « ALIZE » ity. Efa herintaona izay no nanaovana ity fomba vaovao ity. Mahavokatra an-tsasa-taonina isam-bolana ny fikambanana saingy manana tanjona hampitombo izany. Ny olana misy any Manakara dia ny fasimban’ny voly isakin’ny fisian’ny rivo-doza.


Izany indrindra no nahatonga ny Fikambanana nampivondrona ny vehivavy any an-toerana mba tsy hiraviravin-tànana fa hiezaka hikaroka famoronana asa. Ny fanirian’ity Fikambanan’ny vehivavy « MIANDRA » ity dia ny hamokatra maro amin’ity vary ity ka haparitaka izany manerana an’i Madagasikara. Ny Fanjakana no hantenain’izy ireo hanampy mba tsy ho hisy intsony ny fanafarana vary avy any ivelany fa mba hahaleotena. Ny vary evoka « ALIZEE » dia anisan’ny fomba iray ho tosika amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara.

Andry Rakotonirainy