Lehilahy roa ary vehivavy roa no nosamborin’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritry ny zandary tao Behenjy omaly. Voarohirohy tamin’ny resaka halatra nitranga tao amin’ny tokantrano iray tao Anjanamasoandro ambony izy ireo, ny alin’ny talata lasa teo.
Raha ny fampitam-baovao azo dia nahazo fampandrenesena ny zandary avy ao Behenjy fa nitrangan’ny halatra tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Behenjy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vilany rehetra, niaraka tamin’ny akoho amam-borona ary kojakoja samihafa. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo zandary, ary nanao ny fanarahan-dian’ireo izay mety ho tompon’antoka tamin’ity halatra ity. Nitondra azy ireo tao amin’ny tokantrano iray, tsy lavitra akory, sahabo ho iray kilaometatra, ilay lasibatra izany fanarahan-dia izany. Tra-tehaka tao amin’ity trano ity ireo vilany nangalarin’izy ireo, ary mbola hita tao ihany koa ireo sisa tsy lanin’izy ireo tamin’ireo biby fiompy nangalarina. Nentina notazomina sy natao famotorana avy hatrany ireto tompon-trano. Voalazan’izy ireo fa efa nisy namidiny ny sasany tamin’ireo entana halatra. Efa fantatra ihany koa ireto mpividy halatra ireto ka noraisim-potsiny. Samy nentina natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny zandary ireto olona efatra ireto, mandra-piandry ny fanolorona azy ireo eny amin’ny Fampanoavana. Milaza ny tsy hilefitra mihitsy manoloana ny asa ratsy manjaka any an-toerana moa ireo zandary misahana izany faritra izany.
m.L