Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Doro ala tao Ankazobe : Olona telo nosamborina, natolotra ny Fampanoavana

Taorian’ny nahamay ny ala arovana tao Ambohitantely, Ankazobe dia nisy avy hatrany ny fanokafana ny fanadihadiana ny amin’izay mety ho antony nataon’ireo tompon’andraikitra tany an-toerana. Raha ny vokatry ny fanadihadiana savaranonando hatreto dia azo heverina fa tsy tongatonga ho azy izany fahamaizana izany fa toa hoe niniana natao. Olona telo no fantatra hatreto fa nosamborin’ny zandary tamin’iny faran’ny herinandro iny ary notanana ary nohadihadiana. Ny iray tamin’izy ireo izay araka ny fampitam-baovao azo dia nahitàna solika fandrehitra sy “briquet” tany aminy. Nampiahiahy tanteraka ny fihetsik’ity lehilahy, izay isan’ireo olona tonga namono afo teny an-toerana, ka nahatonga ny fisavàna. Tsy afaka nanazava ny fisian’ireo akora ireto tany aminy moa ny lehilahy, antony nahatonga azy avy hatrany nentina natao famotorana, hoy ny fanazavana azo. Tetsy andanin’izay, olona roa hafa ihany koa no nosamborin’ny teo anivon’ny zandary rehefa niroso hatrany ny fanadihadiana. Ireto farany indray dia voalaza fa ninia tsy nanisy aroafo ny ampahan-tany hajarian’izy ireo, manamorona ilay ala arovana. Antony nampihanaka avy hatrany ny afo. Omaly moa izy anankitelo ireo natolotra teo anivon’ny Fampanoavana. Hatramin’ny ora nanoratanay omaly anefa dia tsy mbola nivaly izany.

m.L