Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Fanondranana vehivavy : Olona 14 nosamborina teto Tana

Any amin’ny firenena Arabo hatrany no nikasàna hanondranana ireo taranak’i Eva. Miisa 12 izy ireo no nanamboarana taratasy ary navondrona teto an-drenivohitra mandram-pikarakarana izany. Avy any amin’ny faritr’i Sava izy rehetra raha araka ny fanazavan’ny polisy. Lehilahy roa no tompon’antoka ary efa nakan’ireo farany cola mitentina 1,8 tapitrisa ariary tsirairay avy mba hanaovana ny taratasy. Any Oman ny tanàna nifanarahana handefasana ireo vehivavy ary ho mpiasa an-trano any an-toerana ny nampanantenaina azy ireo. « Efa maty paika ny ketrika satria efa misy trano hofain’izy ireo eto Antananarivo hivantanan’ireo vehivavy ary hipetrahan’ireto farany mandrapahavita ny antontan-taratasy rehetra » raha araka ny fanazavan’ny polisy. Teo am-pikarakaràna pasipaoro no tratra na ireo vehivavy na ireo atidoha aorian’izy ireo. Nohazavain’ny polisy fa tsy mbola misy na koa mbola mitsahatra ny ny fanomezan’ireo firenena arabo avy any Moyen-Orient antontan- taratasy fifanarahan’asa (contrat de travail ) any amin’izy ireo. Nisy fampiasàna dosie sandoka arak’izany ary tratra. Notànana izy 12 mirahavavy ary torak’izany koa ireo roalahy izay « mpikarakara » azy ireo. « Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa alefa any Oman ireto vehivavy ireto ary rehefa tonga any dia haparitaka any Koweït sy Arabie Saoudite », raha araka ny polisy hatrany. Efa betsaka ny olona izay namoy ny ainy tany kanefa mbola betsaka ihany ny malagasy mahasahy ny hiala an-tanindrazana mba hitady izay mahasoa ary mirisika ny aina. Mahatonga saina, efa tena mitady làlana ny olona ny miala eto amin’ny firenena…

D.R