Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Gascar Fenosoa. Aza misalotra ny asa masina tsy voafehy fa maha be fahavalo

Efa tamin’ny taona 1980 izaho, Jeannot Ramambazafy, no mpanao gazety. Asa nianarako io ary tsy mila hivalaparako eto (satria tsy tia mi-zesta amin’izany resaka mari-pahaizana izany aho), f’efa tamin’ny Amiraly Didier Ratsiraka, Filoham-pirenena, aho no mankeny Iavoloha rehefa misy raharaham-panjakana ilaina mpanao gazety ny eny. Ny taona 2002 moa dia izaho irery ihany no mpanao gazety nentin’ny Filoha Ravalomanana tao Joahnnesburg nanatrika ny «World Summit on Sustainable Development», tamin’ny anaran’ny gazety Madagascar Tribune.


Santionany fotsiny io tamin’ny 2002 io ambony io, 21 taona lasa izay. I Guy Francis no nampianarako mandefa vaovao mivantana amin’ny alalan’ny telefaonina ary miala vola am-paosy, tao Afrika atsimo. Tadidiny tsara izany. Niainako daholo ny fotoan-tsarotra nandalovan’ity firenena ity : 1972 (mbola moianatra aho), 1991 (efa mpanao gazety ary saika maty tany Diego), 2002, 2009. Fa ny tiako hisarihina ny sainareo mpamaky dia niainako daholo ireo fitondrana rehetra taorian’ny Filoha Philibert Tsiranana. Averika eto : efa nanomboka tamin’ny fitondran’ny Filoha Ratsiraka aho no efa mpanao gazety. Inona moa izany hoe MPANAO GAZETY Izany ?


MPANAO GAZETY. Ny dikany amin’ny teny malagasy dia izao : Ny mpanao gazety dia olona manangona na mikaroka, manamarina ary manoratra ary avy eo mizara vaovao amin'ny karazana media rehetra. An-tsoratra izany (gazety taratasy na amin’ny Internet), na an-bava (radio) na amin’ny fahitalavitra (televiziona). Mikasika ny soratra telo loko,  anjaranareo no mandika. Aiza no dia hamaky fotsiny ?

Raha izaho manokana moa, efa voaporofo izany ny maha mpanao gazety matihanina ahy efa 40 taona mahery izao, ary tsy misy izay tsy mahalala, hafa tsy ireo jamba sy marenina fa tsy maty am-bava, mihevitra fa « bandy kely mpisolelaka » aho. Ry mahay vava tsy mampandroso na ny tenany aza ! Mpikambana ao amin’ny CJD (« Club des Journalistes Doyens de Madagascar ») aho ary mpaka vidéos ho an’ny tantaran’i Madagasikara (ny Youtube amin’ny anarako ATO, dia misy vidéos miisa 4.500 mahery ary abonnés 14.400 mahery, ka manaova raha mahay).


Fa raha mikasika an’ity hoe Gascar Fenosoa ity indray moa, manakory marina ? Nikaroka aho, araka ny tokon’ny ataon’ny mpanao gazety matihanina. Koa aleho amin’izay fantatrareo ny marina momba azy, eo anatrehin’ity asa masina ity. Fa dia manahirana ity zandriko 25 taona mahery ity nefa miseho azy tena « dadany ».


Ny taona 2015 tany izy no niarakaraka tamina mpanao gazety ; miara-maka sary fa ny tena hoe gazety niasany tsy hita soritra loatra. Ny mikasika ny fanabeazany moa dia azo atao hoe lavorary satria nanao « scout » izy. « Vikiviky manentana » no fiantsoana azy izao. Nisy izany ny filaminana, fandaminana, ny fanajana ny hafa ary, indrindra indrindra, ny fatahorana an’Andriamanitra.

Nanampy izany ny fahaizany mikabary. Efa fony 15 taona izy no nianatra io kabary malagasy io ary 16 taona izy dia efa nahafehy ny kabary am-panambadiana. Nisy ny fidiram-bola afahana mamelona zanakolona atsy ho atsy…

Fa ny nipoirany kely teo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery dia tao anatin’ny « Groupe RLM Communication » natsangan’i Mbola Rajaonah ny taona 2016. Maro ny ankizy -eny na ny sasany nilaza azy ho kalaza- niditra tao. Izany « Groupe RLM Communication » izany dia nisy ireto manaraka ireto : « La Dépêche », « La Ligne de Mire », « Le Citoyen », « 24h Mada », « La Chasse Info », « Triatra », « RTN », « AZ Radio & Télévision », « On Air Radio », « On Air Tv ». Asa raha misy adinoko fa orinasa goavana eo amin’ny haino aman-jery teto Madagasikara e ! Tsy olana mihitsy ny vola tamin’izany satria nalaza nalala-tànana ingahy Mbola, saingy tsy nitandrina loatra amin’ireo nilaza fa « namany » izy…


Tao amin’ny « On Air Radio » (FM 100.6 niova 100.8 taty oariana) aloha i Gascar no nanolotra sy namelona fandaharana (« animateur d’émission ». Tsy nisy resaka hoe « fanaovan-gazety » mihitsy satria io radio io dia natokana ho an’ny mpihira sy ny hirany fotsiny ihany. 100% hits (« hira malaza »).

Na izany aza, nanomboka teo dia nisalotra ny anarana hoe « mpanao gazety » i Gascar Fenosoa. Taranja tsy nianarany io « journalisme » io fa nianarany am-pandehanany (« sur le tas ») eny. Rehefa toa izany dia tsotra : na ratsy na tsara ny « mpampianatra ». Ary dia sendran’olona be kajy i Gascar Fenosoa Mandrindrarivony. Izay no anarany feno.


Nitsangana ny « On Air Tv » ny taona 2018 ary dia nipoitra ny « ON Air Magazine » natokana ho an’ny mpamakafaka ara-politika (« analystes politiques ») toa an’Itompokolahy Maurice Tsihiavonana sy ny rahalahiny Harifidy Ramanandraibe izay mpanao gazety « nomade », satria niasa tao amin’ny « Free Fm Radio », « Space Radio », « I-BC Radio ». Tsara sa ratsy ny fampianarana azon’i Gascar tamin’izy mirahalahy ?


Sarotra no mamaly izany fa ny zava-nisy sy misy dia mifindrafindra matetika ry zareo fa ny nampalaza an’Itompokolahy Maurice Tsihiavonana dia tao amin’ny « Radio Tsioka Vao », na RTV FM 100, niaraka tamin-dry Pamphile Rambelo (nijanona any Frantsa hatramin’izao) sy Pierre Holder (minisitra amin’izao fotoana izao). Nazava ary matihanina ny fomba nanaovan’ireo telolahy ireo famakafakana satria misy fandalinana, fikaroana mazava, porofo, ary rafitra maty paika. Mpanao gazety e !

Fa hatreo aloha dia fikabariana ihany no tena fidiram-bolan’i Gascar satria tsy hita nisongadina misy ny lehilahy teo amin’ny sehatr’izany fanaovan-gazety izany. Eto aho dia mampiseho anareo taiza ary amin’ny fomba ahoana no nifanatrehany tamin’Andriamatoa Andry Rajoelina voalohany indrindra. Sary telo ihany, ireo ambany ireo, ny 1 aogositra 2018 teo amin’ny tokontan’ny Lapan’ny Fanatanjahantena ao Mahamasina.


Tonga tao an-tokon’ny « Palais des Sports » i Gascar (manao "blouson marron"), tsy misy stylo an-tànana, tsy misy fakan-tsary na caméra fa dia mira olona hitsikilo ireny.

* * * * *

Teo anelanelan’izany moa nanangana ilay hoe « Real Tv » i Onitiana Realy, ary namorona ny fandaharana « L’Invité du Jour » izay kapoka iray tamin’ny fandarahana « L’Invité du Zoma » tao amin’ny Tv Plus. Io ambany io ny firafitr’izany fandaharana izany.

Ny maha « dadany » an’ireo fandaharana noforonin’i Onitiana Realy (CEO) ireo dia izao : mandoa vola amina tapitrisa izay miakatra ao. Ary ireny tapatapahana ireny ny tenin’olona. Izany fomba tsy mendrika izany anisan’ny nolovain’i Gascar tokoa. Tsy fahalalam-pomba izany manapaka tenin’olona izany. Adino teo ny fomba fiainana tsara nianarana tany amin’ny « scouts ».

Fa ny mampalahelo (fa tsy loza) amin’i Gascar, izay sahy mitono-tena « solontenan’ny vahoaka », dia ny fanontaniana izay niala avy amin’ireo mankahala an’i Andry Rajoelina, no naverimberiny. Hita taratra sy mibaribary izany tamin’ny fandaharana farany nisy azy, ny alahady 16 Jolay 2023. Rehefa jerena tsara dia izy miondrikondrika io mamaky izay fanontaniana napetraka tamin’ny Filoha Rajoelina. Resaka izay hita ao amin’ny facebook daholo.

Tamin’izaho nanao fikaroana momban’i Gascar Fenosoa Mandrindrarivony, ao amin’ny google dia zendana aho fa ery ambany, eo amin’ny hoe « recherches associées » (fikaroana fanampiny) dia mipoitra eo ny anaran’i Fanirisoa Ernaivo izay vao avy nasainy ny 7 Jolay 2023, tao amin’ny « L’Invité du Jour ». Ny tsy fahalalam-pomba faratampony nataony io 16 jolay 2023 dia tamin’ny resaka « caution » amin’ny fifidianana Filoham-pirenena ho avy. Avy hatrany ny lehilahy dia hoe « fanilikiliana kandida », nefa tsy nisy nanome fitenenana azy ary ny Filoham-pirenena mbola teo am-pitenenana. Ho atao video moa iny ampanahy iny, sy ny hafa, ho rakitry ny Tantaran’i Mada…Gascar.


Mikasika ny fomba amam-panao nataon’i Gascar tamin’iny Alahady 16 Jolay 2023 iny dia nasian’ny namana Michel Ralibera, ao amin’ny « Radio Antsiva FM 97.6 », teny mihitsy ny momban’ity miseho azy « mpanao gazety ity. Ampahan’ny fandaharan’ny « Radio Antsiva », tamin’ny vaovaon’ny Alatsinainy 17 Jolay 2023 atoandro : « (…) Isika dia nampianarina ihany anie tamin’itony sehatry ny fanaovan-gazety itony, ny amin’ny fomba firesaka, na ny fihetsiketsiky ny tànana, ny amin’ny hoe tsy tokony hihaotra ny 10 santimetatra akory, tsy mihoatra ny saoka ny faampiasana ny fanetsiketsehana io tànana io, rehefa mba miresaka amina olona, na iza olona resahina¸ na iza olona resahina. Fa eo ihany koa anefa ny fampiakaram-peo satria tsy mpaneho hevitra, tsy mpitondra ny hevitrao izany ianao any anatin’ny fanaovan-gazety fa dia tena mitondra tokoa ny hoe : inona no tokony ho resahina nefa tsy avoakan’ny olona izay anontaniana. Ny fahaiza-manao an’izany, izany, no andrasan’ny rehetra. Fa ny mpanao politika moa miandry ny hoe : misy tokoa ny mpanao gazety manana fahasahisahiana tahaka izany dia asa…Any sisa ny adihevitra eto amintsika hoe : inona no mivaingana, ao anatin’ilay izy ny hoe : ny mpanao gazety tena nahasahisahy ary mety miteny mihitsy hoe mitatrevatreva amina tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena, dia izay izany no heverina fa hoe izany no tena izy, ary izany no tokony tena endriky ny adihevitra mitranga eto amin’ny firenena. Fa eo ihany koa anefa no miandrandra ny Filoham-pirenena dia sahy hamaly ary amin’ny fomba endritrendritra sy mety hifanohitra amin’ny fanevatrevatrevahana ihany koa, mamaly amin’izany ary mety hifandona mivantana amin’izany mihitsy aza, amin’ilay mpanao gazety, dia izay no mampitehaka matetika ao anatin’ilay adihevitra. Izany hoe tsy dia tena ilay mankany amin’ilay adihevitra andrasan’ny rehetra ve ny zavatra norenesina sy nandrasana fa niondana any amin’ny hoe fahaizan’i anona sy ny fahaizan’i anona amin’ny famelivelezana ato anatin’izay rehetra izay… ».




Fa omen-tsiny ve i Gascar Fenosoa Mandrindrarivony raha tao anatina 10 taona (2012-2022) dia niakatra tampoka ny fari-piainan’izy telo mianaka ? Dia izy Gascar sy Malantoniaina, vadiny, ary Anaëlle zanak’izy roa. Tsy misy fidirako amin’ny fiainany manokana (« vie privée ») izany fa hita ao anaty Facebook daholo ireo sary sy anarana ireo.

Mitandrema ihany ry bandy kely fa ny taranaka no hitsara anao ao aoriana ao. Mihezaha fa tsy amina vola maloto kosa. Mihevitra ianao fa tian’olona, tian’ny « vahoaka ». Rebireben’ilay mpitsara voaraoka amina resaka 14.000 mpijery. Mivadikondana izy. Fa na dia nisy aza ny « sabotage » fanapahan-jiro, iny alahady 16 jolay 2023 iny, an-tapitrisa ny Malagasy eto Madagasikara no nahita sy nandre iny fandaharana iny. Ary mbola afaka jerena foana. Tsy fantatr’ity mpitsara voaraoka fa nanompa ny mpitandro filaminana malagasy, miseho fara-tampo-pahaizana akory fa 30.359.370 ny Malagasy monina eto Madagasikara, nisain’ny Firenena Mikambana, tamin’ny Talata 18 jolay 2023 teo. Aman'hetsiny ny Malagasy nahita iny fandaharana iny.


Nitaizanao tamin’ny tsara ny reninao ry Gascar Fenosoa. Fa mifohaza amin’izay satria toa adinonao fa « Ny vola fitady ny herim-po fanary ». Ka mba fidifidio ihany ny namana indrindra rehefa handany ny efa hary. Ary tongava saina ry Gascar fa ny nenina anie any afara handatsa e ! Hatreto aloha tsy fanaovan-gazety no ataonao fa manao sorona noho resa-bola tsy hitondra mankaiza, ka adino hatramin’ny teny ao anaty Baiboly. "Moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra!"

« Fampisehoana an-dapihazo goavana izao fiainana izao » («la vie est un grand théâtre »), hoy Molière. Kanefa, aza manaiky dokafana (dia maninona moa ?) fa tokony mba « réaliste » ianao. Fantatro fa i Gilbert Raharizatovo no fitaratrao. Mahery ny fomba fiteniny fa mitombona. Jereo io vidéo ambony io. Ny anao vonovorona no betsaka satria tsy matihanina ianao, ary ny masonao toa ireny kary miandry remby ireny. Alainao am-bolony daholo izay tian’ny mpanome vola tenenina. Ary dia tratra farany foana ianao.

Farany amin'izay : miverina amin’ny lohatenin’ity lahatsoratro ity aho : Aza misalotra ny asa masina tsy voafehy fa maha be fahavalo. Ny olona tiana no anarina…

Jeannot Ramambazafy – 19 Jolay 2023