

Manoloana ny olana sedrain’ny vadintany sy ny mpanao lavanty amin’ny fanatanterahana ny asany dia nanao fanambarana ny holafitra sy ny Sendikan’ny CNHJCPM mahakasika izany. Araka ny voalazan’izy ireo dia efa taona maromaro no nisedra olana ny Holafitry ny Vadintany sy Mpanao lavanty rehetra manerana an’i Madagasikara ary efa nanao fanairana sy tatitra maro izy ireo, saingy tsy nisy ny vahaolana hatramin’izao. “Amin’ny faritra maro eto amintsika dia misedra olana izahay amin’ny fangatahana mpitandro ny filaminana. Na dia mbola tsy nivoaka aza iny taratasy navoakan’ny prefen’i Toamasina iny dia aretina mikiky ny vadintany rehetra izay fotoana lavalava izay io olana mikasika fahazoana mpitandro ny filaminana sy fanatanterahana didy io”, hoy ny fanazavana avy amin’ny holafitra. Mbola misy koa ny hoe maka alalana manokana ankoatra ny didim-pitsarana efa ela vao azo, rehefa misy fandroahana na fandrodanana atao na koa ny hoe “expulsion et demolition”, nefa didy raikitra no efa eo am-pelatanana. Vokatr’izany, manameloka ny fanaovana tsinontsinona ny didy mivoaka ny holafitra, satria tokony hanaja izany ny tompon’andraikitra rehetra isan-tsokajiny mba hijoroana amin’ny tena »tany tan-dalàna » marina. Manameloka ihany koa ny fanaovana tsinontsinona ny vahoaka malagasy izay tompon’ny didy tokony hotanterahina. Mangataka ny hampitsaharana avy hatrany tsy misy hataka andro ny fandraràna na ny fandavana hanome mpitandro filaminana rehefa hanatanteraka didy ny vadintany, fa lalàna izany ka tokony ho tanterahina tsy misy olakolaka. Mangataka koa ny hampitsaharan’ny ambaratongam-pahefana rehetra ny fanelingelenana ny fanantaterahanay ireo didy rehetra mivoaka, ka aoka hijanona avokoa ireo antsonjay na sakana rehetra mba hahafahan’izy ireo manatanteraka ny asany antsakany sy andavany am-pitoniana sy am-pilaminana.
Yv Sam