Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Iavoloha : Mpibizina rongony tra-tehaka tanaty taxibrousse

Nandritra ny sakana sy fisavàna ireo fiara mpitatitra teo Iavoloha no nahafahan’ny pôlisy nisambotra ity mpanamparitaka rongony ity, ny andron’ny alarobia teo. Araka ny fanazavana azo dia « lehilahy iray 36 taona no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria foibe Antsimondrano tao anaty fiara fitateram-bahoaka rehefa nitondra zava-mahadomelina na rongony (chanvre indien) (…) Rongony miisa 28 fonosana ary rongony milanja 500 grama izay samy tao anaty kitapony avokoa ireo »

Nihevitra ny tsy ho tratry ny aloka angamba ity ranamana ity ka sahy avy hatrany nitondra ireto zava-mahadomelina ireto tao anaty fiara fitateram-bahoaka, eny fa na dia eo aza ny fandraràna izany, izay matetika dia soratra mivandravandra ao anaty fiara. Rehefa voasakan’ny pôlisy ary voasava ity taxi-brousse ity, dia tsikaritr’ireo mpitandro filaminana fa somary nanao fihetsika hafahafa ny mpandeha iray tao anatiny. Lehilahy mitondra kitapo. Izany fihetsika nampiahiahy izany no nanaitra ireo pôlisy ary nanasa ity farany hidina sy hanambara izay zavatra nentiny. Nandritra ny fisavàna azo nahitàna ireto rongony maina ireto : nisy ireo efa vita fono ary nisy ireo mbola tao anaty harona « sachet ». Nogiazana avy hatrany ireo zava-mahadomelina ary notanana tsy navela nanohy ny diany intsony tovolahy. Nentina avy hatrany nihazon’ny biraon’ny kaomisaria ho amin’ny famotorana azy.

m.L