Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Kraoma. Tsy ny Filoha Rajoelina no natory fa ny tomponandraikitra mivantana no tsy mahay Serasera


V I D E O   E T O

Morarano Chrome, 16 Febroary 2023. Nisy fahagagana kely no niseho tamin’io andro io sy tamin’io toerana io. Eny tokoa. Satria rehefa nandalo tao amina mpiasan’ny orinasa KRAOMA ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, dia nijanona ary nitafa tamin’ny solontenan’ireo mpiasa efa very fanahy mbola velona noho ny nafitsok’ilay Tale jeneraly tsy mba nitsinjo azy ireo fa nandraoka aza no nataony. Tantara mipetraka izany fa aleho tantaraina anareo ny resaka nifanaovan’ny Filoha Rajoelina sy ilay solontenan’ny mpiasan’ny KRAOMA, orinasa nikatso tanteraka nanomboka ny taona 2019.


Ny Filoha Rajoelina : « Ny Kraoma ? Efa mitady vahaolana isika. Efa eo an-dalàn’ny famitana ny fifanarahana vaovao. Io mantsy, namidin’ny fitondrana teo aloha. Eo isika… Fa izaho tena mitsinjo anareo. Ka hitady vahaolana hafahana anampiana anareo ».

Solontenan’ny mpiasa : « Izay mihitsy no tadiavin’ny olona any (TTF : Brieville).. Eo amin’ilay sosialy, satria tsy mihinan-kanina ny olona any Fa mino ny fitondram-panjakana ary ianao tena hahavita izay (TTF : ny famahana ny olanan’ireo mpiasa) ».


Ny Filoha Rajoelina : « Inona no andrasanareo aminay izany izao ? ».

Solontenan’ny mpiasa : « Eo amin’ny sakafo… Na vary tsy misy, tsy mihinan-kanina ara-batikeny ny olona any. Ny karama (koa) raha mba misy azo atao…Nisy fifampiresahana tamin’ny Governora satria misy kraoma azo amidy anie… Mahatoka anao izahay, Prezidà… ».


Ny Filoha Rajoelina : Andraso fa ho jeren-tsika izany fa mahatokisa ahy. Amin’ny zavatra lavitr’ezaka efa misy olona handray an’io (TTF : ny orinasa Kraoma), orinasa matanjaka handray an’io. Efa vita tamin’ny herinandro ny fifanarahana. Fa ny sosialy, andraso fa ny PCA alefako any aminareo amin’ny herinandro ».

Solontenan’ny mpiasa : « Misaotra indrindra, Tompoko, mankasitraka betsaka ».


Teo amin’ny iray minitra mahery telo polo segondra io fiahonana io fa nafonja dia nafonja fanontaniana sy ny valiny.

F’inona moa no nahatonga izao olana be ara-soasialy mianjady amin’ireo mpiasan’ny KRAOMA ireo ?

Morarano Chrome. Ny zava-nisy tamin’io 16 Febroary 2023 nitafan’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tamin’ireo solontenan’ny mpiasa ao amin’ny Kraoma any Brieville dia tsy hita tany an-toerana ny Tale jeneraly, Nirina Rakotomanantsoa. Torak’izany koa ny Solombavambahoaka, Ratsimanosika Alexandre Zozo, izay malaza ratsy eo anivon’ny mponina any fa mpiray tendro amin’ny dahalo… Nefa anie 87 km eo ho eo no mampizaraka an’i Brieville sy Morarano Chrome e ! Dia tsy fantany mialoha tokoa ve fa ho avy ny filoham-pirenena ? Sa mahana toa ny mpanao ratsy rehetra ? Asa lahy…

TANTARAN’NY KRAOMA S.A FOHIFOHY


Orinasam-panjakana nanana petra-bola 3.231.560.000 Ariary ny KRAOMA izay nanondrana chromite 100.000 hatramin'ny 140.000 T isan-taona. Tamin’ny taona 1948, teo akaikin’ny tanànan’i Androfia any amin’ny faritr’Andriamena no nahitana chromite voalohany teto Madagasikara, saingy tamin’ny taona 1968 vao tena nanomboka ny fitrandrahanaity harena an-kibon’ny tany ity. Tamin’ny taona 1966 no niforona ny COMINA (Compagnie Minière d’Andriamena) mba hamokarana chromite miaraka amin’ny orinasa UGINE, PECHINEY, COFIMEN, MOKTA, ny Société Française de Fonderies et Aciers Electriques (SFAC) ary ny Fanjakana Malagasy (nanana ny 20%-n’ny renivola). Ireo no tompom-bola na « actionnaires » voalohan’io COMINA io.

Taterina amin’ny halavirana 480 km eo ho eo ny vokatra voatrandraka (ao anatin’izany ny 90 km amin’ny làlana rarivato avy any Brieville mankany Morarano ary 390 km amin’ny lalamby). Avy eo dia ampidirina anaty sambo lehibe ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ho an’ny ampitan-dranomasina.

Bemanevika dia anisan’ny toerana misy harena an-kibon’ny tanin’ny KRAOMA. saingy nakatona tamin’ny 1972. Niverina indray ny fitrandrahana ny taona 1973. Niala avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina hatrany ny fanondranana ny chromite. Tamin’izany vaninandro izany dia ireto avy no firenena nividy io vokatra malagasy io : France (70-80% ny fanondranana, 50%-ny filan’io firenena io ary 40% ho an’ny firenena natao hoe « Marché Commun »), Japon (20 à 30%) ary Norvège ny ambiny.


Tamin'ny taona 1975, rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny Amiraly Idider Ratsiraka dia no noraisin’ny fanjakana (« nationalisation ») ny COMINA ary nomena anarana hoe "KRAOMITA MALAGASY" na KRAOMA. Dia lasa ny fanjakana malagasy irery ihany no « actionnaire » tokana nanomboka te, ary lasa 3 825 300 000 ariary ny petra-bola na « Capital ».

Tamin'ny taona 2006, nanodidina ny 132.330 T ny vokatra, ka ny 116.290 tamin'ireo no naondrana, ka i Shina, Japon ary Suède no tena firenena nividy, nahazoana vola mitentina 28 miliara ariary. Tamin'ny taona 2008 dia manodidina ny 112.613 T no naondrana tamin'ny sandan'ny varotra 32.579.718 USD.

Mitentina 2.280.000 T ny tahiry voaporofo. Tamin'ny taona 2008, 145.000 Mt ny famokarana chrome avy tao Bemanevika fotsiny. Ny toerana fitrandrahana tao Anengitra dia nanana tahiry voaporofo 160.000 taonina ary 465.000 taonina ao amin’ny faritr'i Befandriana.

Nikatona tanteraka ny taona 2008 ny toeram-pitrandrahana tao Ankazotaolana satria lany tamingana ny harena an-kibon’ny tany tao.

Io no manaporofo fa tsy mandrakizay akory ny fisian’ny harena an-kibon’ny tanin’i Madagasikara… Fa iza no nahazo, mahazo ary hahazo tombontsoa ?...

Tamin'ny taona 2007, nampiarin'ny fitondrana malagasy notarihin’ny Filoha Marc Ravalomanana ny Madagascar Action Plan (MAP) ary ny KRAOMA dia nanaraka ny paikadiny avy amin'ny MAP. Ny MAP dia sori-dàlana hanentanana ho any amin’ny fampandrosoana ara-toekarena amin'ny fandaharan'asa lehibe mandritra ny dimy taona.


Saingy ny taona 2009 dia voatery niala teo amin’ny fitondrana Andriamatoa Ravalomanana izay nanao ny firenena malagasy toa orinasa fananany manokana. Soa ihany satria efa saika nomen’ingahy Ravalomanana ho tantanan’ny Rio Tinto/QMM (efa nitrandraka ilménite ao Taolagnaro) ny orinasa KRAOMA izay Andriamatoa Mejamirado Razafimihary no Tale jeneraly (DG) tamin’izany.

Tsara ho fantatra fa ny taona 2007, dia nanao fanambarana goavana ity farany hoe : lasa « Société anonyme » na S.A. ny KRAOMA ka na dia ny Fanjakana malagasy aza no nanana petra-bola be indrindra dia niditra an-tsehatra izany ZARASOA izany, fikambanan’ny mpiasa ao amin’ny KRAOMA… Tao ihany koa ny SONAPAR (Société nationale de Participation) ary ny trano fiantohana NY HAVANA. Ramatoa Davidson Raolimalala Jeanne (PCA teo aloha), no nandimby an’Andriamatoa Razafimihary ny taona 2010.


Nandritra ny tetezamita dia tsy dia nahenoina resabe ny KRAOMA fa nizotra tsara ny asa, tsy nandrenesana fitainana avy any amin’ny mpiasa. Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana kosa ingahy Hery Rajaonarimampianina dia nivaralila tanteraka ny fitantanana ao amin’ny KRAOMA.


Ny volana jolay 2014 dia ingahy Arsène Rakotoarisoa no voatendry handimby an’i Ramatoa Davidson Raolimalala Jeanne, ka sady Tale jeneraly no PCA mpisolo toerana ingahy Arsène. Izy ity dia efa mpanolotsaina ara-teknika an’i Hery Rajaonarimampianina fony ity farany minisitry ny Vola. Ary dia lasa mpanolotsaina tao amin’ny antoko HVM ihany koa ingahy Arsène… Vao nandray ny toeran’ny Tale jeneralin’ny KRAOMA izy dia nilaza fa hampanao « audit ». Hatramin’izao taona 2023 izao, tsy hita izany fitsirihina ny orinasa izany fa fatiantoka iray lavaka no setriny.

Toa météorite ity Teji ity : nandalo dia tsy tazana intsony...Ary ingahy Jaobarison Randrianarivony indray no nisolo toerana azy eo amin'ny hoe Dg de la KRAOMA. Izany hoe tao anatina volana vitsy monja dia nisolo DG in-telo ny KRAOMA. Nisy tsy nilamina fa mazava be...

Ho vizana ianareo raha tantaraiko eto daholo ny ampihimamba nataon’io Arsène Rakotoarisoa io fa ireto misy santionany : tafiakatra 6 tapitrisa Dolara ny trosa tsy naloany amin’ny « fournisseurs » isan-karazany ; ny an’ny Jovena, 4 miliara ariary, ny an’ny TCR, 800 miliara ariary ary ny an’ny SMCP, 2 miliara ariary. Nisy lahatsoratra amin’ny teny frantsay nataoko mikasika izany rehetra izany, tamin’ny taona 2016. Raha liana, tsindrio ETO. Tampoka teo moa napetra-pialana, ny volana aogositra 2018, Ingahy DG Arsène Rakotoarisoa. Izany Terji Rakotondrazafy izany no nisolo toerana azy vonjimaika. Tsy naharitra ela teo io Terji io fa ny volana Janoary 2019 dia nosoloin'i Jaobarison Randrianarivony teo amin'ny toerana izy. Ny taona 2020 moa nanaovana "enquête" Ingahy Arsène Rakotoarisoa ary nigadra...


Fa tsy ny chromite ihany no tandrahan’ny KRAOMA, tompoko, fa volamena ihany koa. Tena niara-petsapetsa tamin’io daholo ry Henry Rabary-Njaka, notendren’ny filoha Rajaonarimampianina ministry ny harena an-kibon’ny tany farany tamin’ny andron’ny Hvm ; ry Jaoabarison Randrianarivony (niverina niseho indray izao nefa tokony nahay nipirimpirina)… Nisy « filous » hafa fa ireo aloha ny fantam-bahoaka. Vitan-dry zalahy ireo no nanao fanarahana tamina Rosiana kanefa fantany tsara fa tsy ho ela dia tsy hanana fahefana intsony. Io fifandraisan’ny KRAOMA tamin’ny Rosiana io no nahatonga an-dry zareo mahita volana alohan’ny mpaminany Habibo nasahy nilaza fa misy eto Madagasikara ilay « réseau Wagner ».


Rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ny Filoha Andry Rajoelina dia orinasa KRAOMA bokan’ny trosa tanteraka ny novataniny. Saingy olona tsy manana « compétence » mikasika ny harena ankibon-tany ihany koa no navelany nisolo an'ingahy Jaobarison Randrianarivony hitondra ilay KRAOMA nanomboka ny volana Febroary 2019.


Iza marina moa ity Nirina Rakotomanantsoa ity ?

  • Directeur général

    KRAOMA sa

  • Conseiller spécial en charge du développement rural et de la sécurité

    Primature, République de Madagascar

  • Représentant de Madagascar parmi les 12 pays membres

    PAESFA - Pan African Ethanol Stoves and Fuel Alliance

  • Conseiller technique au cabinet militaire

    Primature, République de Madagascar

  • Conseiller supérieur de la Magistrature

    Membre représentant de la société civile

  • Membre de la Cellule Technique

    DSRP (Département de la Stratégie pour la Réduction de la Pauvreté)

  • Coordinateur général des projets

    Ministère de l'Agriculture, de l'Elevage et des Pêches

Education

Mahavariana ô ? Tena be diplaoma tokoa ny lehilahy, saingy... Impiry ireo mpiasa ao no nitaraina moa fa dia jadona sy ramatahora ny setriny. Natao daholo ny fomba nanakanana ireo mpiasa tsy ho afaka mifandray amin’ny Filoha Rajoelina. Vitany hatramin’ny nandraoka ny mpiasa amin’ny antony tena mahamanetra. Fa naverin’ny fitondram-panjakana eo amin’ny toerana daholo ireo mpiasa ireo, eny na dia tsy nandray karama nandritan’ny volana maro dia maro…Natao anolotra hevitra sy soson-kevitra ingahy Nirina Rakotomanantsoa fa tsy natao hitarika olona.Eto aho dia manontany tena amin'ny anjaran'ny PCA ("Président du Conseil d'administration") na koa Filohan'ny Filan-kevim-pitantanana. Iza io izao ? Ny tadidiko dia ny volana Febroary 2021 dia Andriamatoa Onjaniaina Dina Andriamaholy no PCA-ny KRAOMA. Nefa koa toa SGPA ao amin'ny Presidansy. Tsy fantatra intsony ity fa izay e : tsy nisy niaro mihitsy ireo mpiasa ireo. Izay no marina

Ary eto Madagasikara moa rehefa be diplaoma dia heverina foana fa manana "expériences" amin'izay asa anendrena azy ny olona iray. Fahadisoana tanteraka izany raha ny "scandales" niseho ary mbola miseho hatramin'izao... Vao azo ilay toerana dia lasa olon-kafa tsy azo atonina intsony fa manambony tena manambany ny hafa, indrindra ireo "namana" taloha... Asa loatra.

Misy fetrany sy fotoanany anefa ny zava-drehetra ka dia miandry izay ho tohiny isika taorian’ny fihaonan’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ny mpiasan’ity KRAOMA natao fanahy iniana nopotehina noho ny tombontsoa manokana lavitry ny fitiavan-tanindrazana.

Ary dia tantara mitohy izany.

Jeannot Ramambazafy