Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Lalam-baovao Tsarasaotra : “Taxi” nangalarina, nivadika teo Imamba

Loza mihantona. Tsy ela dia nivaly tamin’ireo jiolahy ny ratsy nataon’izy ireo, omaly, tetsy amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra. Raha iny handeha hitsoaka niaraka tamin’ny fiarakaratseka vao avy nangalarin’izy ireo iny mantsy ireto olon-dratsy no niharan-doza izany fiara izany. Nivadibadika tanteraka. Noraisim-potsiny ny roa tamin’ireto jiolahy.

Omaly maraina, mpitondra taxi iray no voaroba sy niharan’ny herisetra tetsy Ambodifasina, kaominina Ambatolampy Tsimahafotsy. Lasan’ireo jiolahy tamin’izany, izay niisa telo ary mpandeha tao anatin’ity taxi ihany ny fiara. Raha ny loharanom-baovao azo dia nilaza fa mpandeha ireto olon-dratsy, rehefa naka ity taxi ity tetsy Ankazomanga, izay nifanaraka tamin’ny mpitondra izany fa hanatitra azy ireo ny Ambatolampy Tsimahafotsy ary haka entana eny Ivato. Nony tonga tetsy Ambodifasina, dia nisy lehilahy iray, naman’ireto mpandeha ireto noraisina teo. Telolahy araka izany izy ireo no tao anatin’ilay taxi, ho any Ambatolampy Tsimahafotsy, mivoaka mihazo an’Ivato iny. Marihana fa somary mangingina ny lalana amin’iny. Nony dilan’ny tananan’Ambodifasina dia nivadika ho biby amin’izay ireto mpandeha tao anatiny. Nodarohin’izy ireo tsy am-pisalasalana ilay mpamilin’ilay fiarakaretsaka ary natsipin’izy ireo tao anaty lavaka tsy lavitra teo rehefa tsy nahatsiaro tena. Nentin’ireto farany nitsoaka niverina nony avy eo ilay fiara. Soa ihany, tamin’izay fotoana izay, nisy olona sendra nahita ary nampandre avy hatrany ny fokonolona, izay niara-nisalahy nanenjika ilay fiara sy ireo jiolahy tao anatiny. Nampandrenesina teo ihany koa ny zandary tamin’iny faritra iny ary napetraka avy hatrany ny paik’ady rehetra hisakanana ilay taxi nangalariny, izay nihazo iny lalam-baovaon’i Tsarasaotra iny.

Valin-kafatra. Angamba nentin’ny tahotry ny fanenjehana ireto olon-dratsy ka nitondra ilay fiara nirimorimo tamin’iny lalam-baovao iny. Tamin’izay fotoana izay anefa, raha teo am-pisongonana fiara iray teo alohany ireto olon-dratsy, teo amin’ny tetezan-kelin’Imamba, teo Soavimasoandro no tsy voatana intsony ny familiana ary niafara tamin’ny fivadibadihan’ny fiara izany. Tsy maty tao anatin’izay anefa ireto farany fa mbola tafavoaka ary afaka nitsoaka ihany. Efa nandeha be ny feo ka raha vao nahita izany ihany koa ireo mponina teo an-toerana sy ny mpitandro filaminana tsy lavitra teo dia nanao ny fanenjehana. Tsy lasa lavitra ny roa dia tratra. Tafaporitsaka koa ilay naman’izy ireo iray. Efa saika matin’ny hatezeram-bahoaka teo ireto jiolahy raha tsy teo ireo mpitandro filaminana.

Tamin’io fotoana io ihany dia nentina natao andrimaso ho amin’ny famotorana tany ny amin’ny tobim-paritry ny zandary ireto jiolahy ireto, izay fa mbola nahitàna antsy lava lela anankiroa, fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsiny. Mbola mitohy moa kosa ny fikarohana ilay naman’izy ireo iray tafatsoaka ary ny zandary avy amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo no misahana ny raharaha. Marihana potika tanteraka moa ilay fiara, ary ilay tena mpamiliny, izay niharan’ny herisetr’ireo olon-dratsy dia efa nahazo fitsaboana sahaza azy.

m.L