Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Mahabo : Zaza amam-behivavy miisa 9, notazomin’ny dahalo an-keriny

Temps de lecture : 1 min.

Tao anaty lavabato, tany amin’iny fairtra Bemaraha, ao amin’ny kaominina Ankilizato, distrikan’i Mahabo no notazomin’ireo tsy valahara ireto ankizy sy vehivavy, izay nalain’izy ireo an-keriny ireto. Soa ihany, niditra an-tsehatra ny zandary : rava ireo andian-jiolahy, avotra soa aman-tsara ireto olona nalain’izy ireo an-keriny. Ny voalohan’ny volana jolay lasa teo no nanafika tanana iray tao Behasy ao amin’ny fokontany Mangarivotra, kaominina Ankotrofotsy, distrikan’i Miandrivazo ny andian-dahalo mirongo fiadiana. Raha ny angom-baovao azo dia nahatratra hatrany amin’ny 15 lahy tany izy ireo, izay samy nirongo basy sy nampiasa izany, ho fampitahorana ireo mponina. Avy any amin’iny distrikan’Ankilizato, ao amin’ny distrikan’i Mahabo iny izy ireo, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny namana any an-toerana hatrany. Ankoatry ny fandravana fananana nataon’ireo andian’olon-dratsy ireto dia nisy olona sivy, izay saika renim-pianakaviana sy ankizy no nalain’izy ireo an-keriny tao amin’io tanana io ary nentin’izy ireo niaraka taminy. Taorian’ity tranga fakàna an-keriny dia nisy nihetsika avy hatrany ny zandary avy ao Menabe, niezaka nikaroka sy nanara-dia ireo olon-dratsy. Ny lehiben’ny vondron-tobim-paritry ny zandary tao Miandrivazo, niaraka tamin’ny foknolona an-jatony mahery tany ho any no nidina teny an-toerana nanao ny fanarahan-dia, hoy hatrany ny vaovao. Namakivaky tanety sy lohasaha ary niezaka nitily ireo zohy fiheren’ireo olon-dratsy tany an-toerana. Nandritry ny roa herinandro teo no nanaovan’izy ireo izany ary niafara tamin’io fahafantarana ilay lavabato nitazomana ireo zaza amam-behivavy ireo. Nisy ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny roa tonta. Tsy nanaiky mora mantsy ireo dahalo mananiky ny roapolo tany ho any, niambina io lavabato io. Taorian’ny fifandonana dia nisy iray tamin’ireo dahalo no maty namoy ny ainy, nisy ireo naratra, saingy vaky nandositra sy nentin’ny namany nitsoaka. Avotra soa aman-tsara tsy nisy naninona araka izany ireo olona sivy teo am-pelan-tanan’izy ireo, araka ny vaovao azo hatrany. Marihana fa tsy namelan’ireo mpitandro filaminana raha tsy rava avokoa ireo toerana fiheren-dahalo tany an-toerana. Tsy nihanona fotsiny tamin’ny fanavotana ireto olona lasa an-keriny araka izany izy ireo fa mbola nitohy ny fanenjehana ireo olon-dratsy. Efa nisy ny voasambotra tamin’izany, ary mbola hitohy hatrany izany, raha ny fanazavana azo.

m.L