Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Raharaham-pitsarana eto Toamasina : Nidoboka am-ponja Rtoa Sidney Ericka

Nivoaka ny didy famonjana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina mitondra ny laharana 2546/RP/23/15/SEL/J.O ny 26 jolay 2023, fa voafonja ao Ambalatavoahangy i Rtoa Sidney Ericka 25 taona izay mpampianatra. Ny fandikan-dalana laharana 319 sy 320 no manenjika azy noho izy nitondra fiara tao anaty fahamamoana sy

mbola nandeha mafy, izay nitarika fandratrana sy famoizan’olona mihintsy tamin’izay. Ho an’ilay reny naratra nandritra izany dia nahazo 45 andro fialan-tsasatra teny amin’ny mpitsabo ny tenany, izay mampiditra ny fonja avy hatrany. Vokatra izany fahafantarany fa mety ampigadra azy ny zavatra nataony, dia nampiasa olom-pantatra teto anivon’ny fitsarana ny tenany, izay tsy vao sambany raha teo no nanaovany lozam-pifamoivoizana teto Toamasina izay fahatelony izay nitranga teo anoloan’ny hopitaly “manarampenitra” Morafeno. Tsy nahomby anefa ny tetiny nandritra izany fa tsy nihova tamin’ny heviny ny mpitsara ny fitsarana ambaratonga voalohany Toamasina, ka nampidoboka azy am-ponja vonjy maika ao Ambalatavoahangy . Raha nanontaniana ny talem-paritry ny filaminam-bahoaka atsinanana kaomisera Rakotovao Jean Christian, dia nambarany fa tsy manaiky lozam-pifamoivoizana amoizana ain’olona izany ny tenany, fa aleo anao ny asany ny fitsarana amin’ny didy izay avoakany. Nentina tany Andovoranto ny fatin’ilay skoto kely nohosen’ny ramatoa tamin’ny fiara noho ny fahamamoany, ka voalevina ara-dalana ny maty. 

Malala Didier