Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Soavinandriana : Hosoka tamin’ny « bacc », mpampianatra iray nosamborin’ny pôlisy

Nahabe resaka ny maro tokoa ity fanadinam-panjakana bakalorea natao ny herinandro lasa teo ity. Ankoatry ny resaka fivoahan’ny laza adina mialohan’ny fotoana, izay nampikorantana manontolo ny fanadinana eran’ny Nosy dia mbola nisy ihany koa ireo tra-tehaka ni- « fraude ». Ary ny loza dia misy mpampianatra tafiditra tao anatin’izany, toy ity nitranga tao Soavinandriana ity.

Ny alakamisy lasa teo tokoa mantsy dia mpampianatra iray no voatery nosamborin’ny pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’i Soavinandriana, tany an-toerana, noho izay fanomezana ireo valiny tamn’ireo laza adina maromaro natao tamin’iny herinandro andro. Ankoatra azy dia mpiadina maromaro ihany koa no voatery nohenoina sy nanokafana fanadihadiana. Raha ny fanazavana azo dia tra-tehaka nandritry ny fisafoana nataon’ireo pôlisy manodidina ny ivon-toeram-panadinana, teo amin’ny CEG I Soavinandriana ity lehilahy iray ity. Nahitàna « intercalaire » fampiasa tamin’io fanadinam-panjakana io teny aminy, ary teo am-panaovana laza adina SVT izy tamin’io fotoana io. Tsy vitan’izay fa mbola nisy finday misokatra amin’ny compte Facebook, ihany koa teny aminy, izay hita mazava fa mifandray amina mpiadina iray tao an-toerana amin’ny alalan’ny hafatra miafina. Nentina natao famotorana avy hatrany ity farany ary niaiky fa mi – « traite » ireo laza adina ary rehefa voavaliny dia manome izany ho an’ny mpianadina manala fanadinana tao amin’io « centre » io sy tamina ivon-toeram-panadinana hafa.

Tamin’ny fisavàna ny tranony moa, raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitra hatrany dia mbola nahitàna « intercalaire » miisa valo misy valim-panadinana mathematique sy physique ho an’ny serie A2, tao aminy. Tsy nisy akory fivoahan’ny « sujet » mialohan’ny fotoana tamin’ity raharaha ity fa hosoka no nisy, raha ny vaovao azo hatrany. Alain’ireo mpiadina sary amin’ny finday mantsy ny laza adina ary alefan’izy ireo ao amin’ilay vondrona facebook, misy an-dRamose. Ity farany no manao ny laza adina araka izany ary mamerina ny valiny any amin’ireo ankizy. Voalaza fa tena hain’ireto mpiadina manao hosoka ireto ny manafina ny finday entin’izy ireo anaty efitranom-panadinana, eny fa na dia misy aza ny fisavàna ataon’ireo pôlisy eo am-pidirana. Anaty caleçon na anaty silipo no hametrahan’izy ireo izany, hoy hatrany ny fanazavana azo.

Tsara marihana fa henjehin’ny lalàna velona eto amintsika ny fanaovana hosoka amin’ny fanadinam-panjakana, izay mety hitarika amin’ny tsy fahazoana manala fanadinana mandritry ny dimy taona sy ny fanenjehana ara-keloka ary tonga hatrany amin’ny fampidirana an-tranomaizina.

m.L