Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Ambohimahitsy : Vola sandoka nividianana makorelina

Natory indray alina, niaraka tamin’ny terantany vahiny ity tovovavy iray mpampanofa vatana, kanefa iray alina ariary monja no azony. Ny loza dia mbola vola sandoka ihany koa no nanefan’ilay tsy valahara ny vidin’ny fahafinaretana azony. Tranga niseho ny alakamisy lasa teo.

Ny aza mba sendran’izay lehilahy tsy vanona ihany. Angamba efa faly anakampo ity tovovavy mpampanofa vatana iray tetsy Ambohimahitsy fa sady nahazo terantany vahiny, ho mpanjifany, no mbola « matory » ihany koa. Very anjavony anefa ny fanantenana rehetra nony maraina ny andro fa sady voafitaka, tsy araky ny noeritreretina no vola azo, no mbola mety mbola higadra satria vola sandoka iray alina ariary no teny an-tanana. Ny marain’ny alakamisy teo ity tovovavy ity no hitan’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Soamanandrariny, nigogogo nitomany sy nitoloko irery teo amoron-dalana. Nandray an-tanana azy avy hatrany ireto mpitandro filaminana, rehefa naheno ny fitantarany ary nanao ny famotorana avy hatrany. Tsy dia any amin’ilay vidim-pahafinaretana loatra tsy araky ny tokony ho izy anefa fa any amin’ny fandikàn-dalàna nataon’io lehilahy io. Ny fanaovana, fampiasàna vola sandoka dia heloka, henjehin’ny lalàna, hoy izy ireo.

Tsy ela dia nivaly ny fikarohana ilay terantany vahiny ary tra-tehaka teny an-toerana ihany ity farany, ny andron’io. « Tsy vola sandoka ihany no tratra teny aminy, hoy ny fanazavana azo fa mbola nahitàna ody ratsy maromaro, niaraka tamin’ny karatra sandoka avy ao amin’ny Fikambanan’ny leo  fahantrana. Mbola nisy taratasy roa fonosana fanaovana ireo karatra sandoka ihany koa tany aminy ».

Nentina avy hatrany nihazon’ny biraon’ny zandary ity teratany Kamerone ity, ho amin’ny famotorana azy. Notanana natao andrimaso, mandram-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana lalina , entina hamantarana ny loharano nahazoana sy nanamboarana ireo vola sandoka tratra teny aminy.

m.L