Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Ankadifotsy : Mpamaky fiara ikoizana, voasambotry ny pôlisy

Temps de lecture : 1 min.

Efa maro ireto tompom-piara no lasibatra teny amin’iny faritra Ankadifotsy Befelatanana sy ny manodidina iny. Nilaza mazava moa ity tovolahy ity fa efa mpanao izany asa izany ary amin’ny alina ihany no fanatanterahany izany. Tsy inona eto fa ny famakiana fiara, sy fangalarana ireo kojakojam-piarakodia isan-karazany ao anatiny. Firifiry tokoa moa ireo tompon’ny fiara no tratry ny tsy nampoizina raha iny handeha hamoaka fiara vao maraina. Lasa ny “batterie”, nanjavona ny “pneu”, tsy teo intsony “auto-radio”, sns. Tamin’ity indray mitoraka ity dia sendra ny mpaka kitay amin’izay ity tovolahy, miseho azy tsy ho tsy tratry ny aloka. “Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy rehefa nanao ny asa fisafoana ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo no nandalo toeram-piantsonana sy fametrahana fiara iray tao Ankadifotsy Befelatanana. Tao anaty maizimaizina tsy misy mpahita no nahenoana feom-piara mikatona varavarana, kanefa tsy misy jiro mirehitra”. Nahamahina avy hatrany ireo mpanao fisafoana izay toe-javatra izany, satria efa fantatra rahateo ny firongatry ny famakiana fiara eny an-toerana. “Nanatona ilay fiara ny polisy ka inona tokoa fa fiara iray no efa voapitsoka varavarana. Tratra tao anatiny ny tovolahy iray teo am-pamakiana fiara. Eo am-pikirakirana ny « auto-radio » ity farany izao tratra izao, ary tsy manana lakilen’ny fiara akory izy rehefa nanontaniana”,  hoy ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny pôlisy. Tamin’io fotoana io ihany moa dia nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ity farany ary nanaovana famotorana. Tamin’izay no nahafantarana, hoy hatrany ny fampitam-baovao, fa efa raindahiny sy ikoizana tanteraka amin’izany asa ratsy izany ny tenany. Soa ihany araka izany fa efa tonga aloha ny pôlisy fa raha tsy izany dia efa najifa indray aloha ny kojakoja tao anatin’io fiara io. Tsy eny amin’iny faritra iny ihany tokoa no mirongatra ity famakiana fiara ity fa saika manerana ireo toeram-piantsonana fiara rehetra eto an-drenivohitra. Omaly, raha ny angom-baovao azo dia fiara mpitatitra iray ihany koa lasibatr’izay tetsy Soamanandrariny. Taratasin’ny fiara indray no lasibatra tamin’io fotoana io. Efa nametraka fitoriana teny anivon’ny mpitandro filaminana moa ny tompon’ny fiara tamin’io fotoana io.

m.L