Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Faritra Analanjirifo : Nanao atrikasa ny telo andro ny tetikasa « RINDRA »…

Temps de lecture : 2 min.

Nahatontosa atrikasa telo andro tao anatin’ny telo andro ary nandrakotra distrika telo sy kaominina miisa 14 ny tetikasa “Rindra” tohanan’ny PNUD amin’ny alalan’ny PNUD, nanomboka ny 14 jona ny tao Fenerivo-Est – 15 jona ny tao Vavatenina – ary 16 jona ny tao Soanierana Ivongo. Raha tsorina ny tanjon’ny tetikasa dia ny fanamafisana ny fampitondrana eto Madagasikara, ny fametrahana ny tany tan-dalana, ny fangaraharahana eo amin’ny sehatra’asam-panjakana rehetra, ary famanajana ny zo maha-olombelona. 

Teo koa ny fitantanana mifantoka amin’ny fahamarinana sy mangarahara mba ho andrim-panjakana mampihatra ny temberi’andraikitra ho an’ny olom-pirenena mampivotra ny demokrasia ; ary koa ho mpiasam-panjakana mifantoka amin’ny asany sy ho antoky ny fitantanana ara-pitondrana mandray andraikitra. Izay rehetra izay no niverimberina sy nohamafisin’ny Atoa Jean Richard izay mpandrindram-paritry ny Pnud ao Analanjirofo. Tetikasa efa hatramin’ny taona 2021 teto Madagasikara ny tetikasa “Rindra” ka tsy hifarana izany raha tsy ny taona 2026. Tamin’ity taona ity dia faritra 05 no hiasan’n’ny tetikasa, ka isan’izany ny faritra Analanjirofo. Mahatratra 100 eo ny kaominina hisitraka ny tetikasa, ka ny  14 amin’izany no amin’ny faritra Analanjirofo ao anatin’ny distrika telo, izay 07 ny ao Vavatenina – 05 ny ao Fenerivo atsinanana – ary 02 ny ao Soanierana Ivongo. Amin’ny ankapobeny dia sehatra telo no hiasan’ny tetikasa eo anivon’ireo kaominina, ka isan’izany ny fampiharana ny mangaharaha amin’ny asa, ny fitsarana tsy mitanila hatokisan’ny vahoaka indrindra momba ny fananan-tany, ary ny fitantanana sy ny fidiram-bola mitodika amin’ny fampandrosoana, ny fampiharana ny tamberin’andraikitra hisitrihan’ny vahoaka. 

Samy hentitra tamin’ny teniny ireo tompojn’andraikitra nandray fitenenana tamin’izao atrikasa telo andro izao, ka isan’izany Rtoa Bevazaha Marie Annick sekretera jeneralin’ny faritra Analanjirofo izay nanamafy fa afaka miteny dien’izao ireo kaominina tsy hanao fa miisa 71 ny kaominina ao Ananajirofo saingy ny 14 ihany no nahazo ny tetikasa. Ny ben’ny tananan’ny Maromitety Atoa Dimilahy Delphin koa nilaza fa ireo sefo fokontany vao notendrena ireo no tena sakana amin’ny fampandrosoana Ifotony amin’izy ireo mialangalana amin’ny tetikasa fampandrosoan’ny kaominina. Ny ao Soanierana Ivongo indray ny solombavambahoaka mihintsy no sakana hoy ny ben’ny Tanana, ka tokony ho jerena ny mahakasika izany hoy ny lefitry ny ben’ny Tanana.

Malala Didier