Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Fifanampiana Centre Rassoul Akram : 83 mianadahy notolorana mari-pahaizana

Ivon-toerana fampianarana izay manomboka hatrany amin’ny ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny Oniversité ny Fifanampiana Centre Rassoul Akram (FCRA) etsy Antohomadinika. Tsy vitan’izay anefa fa manana ivon-toeram-panofanana arak’asa ihany koa izy, izay manolotra fiofanana momba ny informatika, ny zaitra ary ny fianarana teny frantsay sy anglisy. Ny alakamisy teo, tanora 83 mianadahy no navoaka tamin’ny fomba ofisialy, teny an-toerana. Tanora izay vao avy nahavita fiofanana arak’asa teo anivon’ny Infopro. Tonga nanome voninahitra izany lanonana izany ny Ministry ny fampianarana teknika sy ny fanofanan arak’asa, Rtoa Vavitsara Rahantanirina Gabriella sy ny Filoha Tale jeneralin’ny Fcra, Atoa Haniphe Akbaraly.

Tao anatin’ny hafaliana sy haravoana tanteraka no nizoran’izany lanonam-panolorana marim-pahaizana izany teny an-toerana. Nanamafy moa ny Ministra fa  « tanjon’ny Ministera dia mamatsy fahaiza-manao mba hananana asa mendrika sy mahavelona. Porofo maneho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina izao vokatra izao ». Nitso-drano ireto tanora vao avy nanovo fahalalana moa ireto tompon’andraikitra rehetra tonga teny an-toerana.

Nangonin’i m.L