Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Filoha Andry Rajoelina tao Sainte-Marie, 14.07.2023 : “N’iza n’iza, na antokon’olona, na andian’olona dia tsy hisy ahasakana ny sitrapon’Andriamanitra”

Vidéo ETO

« Ato am-ponay ianareo, tianay ianareo, ary nanao velirano izahay fa tsy ho adino intsony i Sainte Marie, tsy maintsy hampandrosoana Sainte Marie. Ary izay no ataon-tsika eto androany, Tompokolahy sy Tompokovavy. Marina sa tsy marina ?

Ny vavahady misokatra hidiran’ny vahiny rehetra eto Sainte Marie dia ny aéroport. Marina sa tsy marina ? Satria malaza amin’ny fizahan-tany i Sainte Marie, malaza amin’ny baleines. Izay no nahatonga ahy, vao afaka ny Covid, niresaka tamin’ny ministre-ny Tourisme niresaka tamin’ny ministre-ny Transport hoe : mila ampiantsika ny vahoakan’i Sainte Marie, mila ampiana ny mpizaha tany, mila ampiana ny fampandrosoana rehetra eto Sainte Marie. Izay no mahatonga antsika eto androany.

Satria androany izany dia ho tokanana amin’ny fomba ofisialy ny balisage, izay mametraka ny jiro ahafahan’ireo raopilanina, fiaramanidina izay tonga eto, mipetraka amin’ny andro alina. Satria betsaka ny sidina avy any La Réunion, avy any Maurice sy avy any amin’ny Nosy rahavavy nefa tsy afaka tonga eto raha tsy misy izany balisage izany.


Tsy afaka tonga eto raha tsy voasokajy aéroport international ity eto Sainte Marie ity. Efa ela no nanirian-tsika izany. Marina sa tsy marina ? Koa raha maro ny aéroport international, tahaka ny ao Antananarivo, ao Nosy Be, ao Toamasina, androany aéroport international-ny Sainte Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.

Ato am-poko Sainte Marie. Izay no antony nanaovana ny ezaka rehetra hampandrosoana an’ity Sainte Marie ity. Amin’ny hoe toerana misy mpizahan-tany an’i Sainte Marie izany, dia rahampitso (15 Jolay 2023) isika no hitokana fanamboaran-dalàna. Goavana be izy io satria efa potika loatra ny làlana eto. Dia 27 km miala eo Vohilava hatrany Saint Joseph ho vitaina goudron manara-penitra daholo izany làlana izany. Mety sa tsy mety ?

Na ny Bajaj na ny bisikileta rehefa vita izany dia hisosa fotsiny fa tsy mijaly ohatran’ny ankehitriny ianareo. Izay ilay noteneniko anareo hoe nanao velirano aho tamin’ny fotoana nanaovana ny fampielezan-kevitra dia niteny ireo raiamandreny, niteny ianareo tomponandraikitra hoe : Monsieur le Président, raha ity no voavaha dia tsy miala aminao intsony izahay mandrakizay.

Tanteraka izany ilay izy androany. Marina sa tsy marina ? Mifamatotra isika, ary tsy hisaraka mandrakizay. Miraikitra ohatran’ny tandra vadin-koditra io, mipetraka ao anatin’ny hodi-tsika. Marina sa tsy marina ? Izay no teneniko anareo hoe betsaka ny asa ataon-tsika. Efa vita ihany koa ao ny Centre de Formation Professionnelle amin’ny resaka fizahan-tany na Tourisme. Izany hoe, ny olona izay hiasa eo anivon’ireny hotely ireny, na réceptionnistes io, na ireo mpikarakara trano amin’ny fanadiovana sy ny zavatra rehetra, na ny fanaovana lakozia… tsy mila mankany Antananarivo, tsy mila mankany Toamasina fa misy Centre de Formation Professionnelle efa vita ary hotokanan-tsika tsy ho ela izany Centre de Formation Professionnelle izany.

Maromaro ny zavatra vitan-tsika ary mbola betsaka ihany koa ny tokony hatao, fa indrindra indrindra ny fampandrosoana dia tsy misy ary tsy mety raha tsy hoe misy ny fahazavana, na ny famokarana herinaratra.

1 Mégawatt (1.000.000 Watt) no hapetra-tsika eto. Izany no lazaiko anareo hoe betsaka ny zavatra hataon-tsika, betsaka ny foto-drafitrasa ho apetraka, ary indrindra indrindra ny fanomezana ireo kits solaires, izay hatomboka amin’ny volana septambra. Izany hoe, izay mbola tsy manana branchement amin’ny Jirama ihany koa izany dia ho zaraina kits solaires amin’ny vidiny mora, amin’izay tsy mampiasa labozia, tsy mampiasa pétrole intsony ny tokan-trano tsirairay avy eto Sainte-Marie, Tompokolahy sy Tompokovavy.


Rahampitso isika mbola hikorana ; rahampitso isika mbola hifety satria rahampitso isika no manao ny Festival des baleines. Hisy Carnaval lehibe rahampitso ary betsaka ny fitokanana hatao rahampitso. Zavatra tena izy dia eto Sainte-Marie ihany koa no misy ny fiangonana na ny eglizy katolika voalohany teto Madagasikara. Dia nasiana fanamboarana izy io. Hiara-hivavaka ao isika rahampitso amin’ny valo sasany sady hitokana io, ho anareo izay afaka dia tongava fa hiara-hivavaka isika, satria mila apetraka eo am-pelatanan’Andriamaniatra ny zavatra rehetra, ny fiainan’i Madagasikara, ny fiainantsika tsirairay avy. Marina sa tsy marina ?

Dia ho tanteraka anie ny fikasan-tsika amin’ny fampandrosoana an’i Sainte Marie. Ary ny hafatra ataoko, ary ataoko foana, isaky ny manao kabary aho dia ity : “N’iza n’iza, na antokon’olona, na andian’olona dia tsy hisy ahasakana ny sitrapon’Andriamanitra”. Misaotra, Tompokolahy, mandrasitraka, Tompokovavy.

Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina

Nosy Sainte-Marie, 14 Jolay 2023

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy