Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Halatra « goudron » teny amin’ny RN44 : Olona 10 voasambotra niaraka tamin’ny daba 53

Ravan’ny zandary ny tambajotra mpangalatra fitaovana ampiasaina amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44. Olona 10 voasambotra tamin’izany, ary mbola nahatrarana daba feno « goudron » sy ny fangarony 53, izay vao avy nangalarina. Araka ny fanazavan’ny zandary avy amin’ny Imerina Centrale, tao anatin’ny herinandro maromaro izay no nahazoan’izy ireo vaovao ny amin’ny fisian’ny halatra an-tsokosoko ireo entana amin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-44. Ny 26  mey lasa teo, kamiao marika Mercedes-Benz avy any Moramanga ho aty Antananarivo no saron’ny zandary teo amin’ny sakana teo Nandihizana Carion. Tratra tao ireo entana halatra tao anaty daba  44 milanja 8.800 kilao. Andro alina no nitondrana ireo entana ireo, izay efa nampiahiahy ny zandary, ankoatra ny angom-baovao izay efa am-pelatanan’izy ireo. Nampiseho taratasy hosoka ny mpamily nitondrana ireo entana halatra ireo. Notanana avy hatrany ny mpamily ary nofotopotorana. Nisy noho izany ny entana hafa milanja 10.600 kg tratra tao amin’ny fitoeran’entana iray tany Moramanga. Orinasa mpanodina sy mpivarotra sakay no fantatra fa tao ambadik’ity halatra ity, ka tamin’ny alalan’ny fisamborana ireo roa lahy voalohany no nahatrarana ny ambiny. Miandahy miambavy mihitsy izy ireo, ka anisan’izany ny tale jeneralin’orinasa mpanao lalana iray. Teo ihany koa ny mpanera ireo entana halatra ireo. 5.100.000 ariary ny totalim-bidin’ny entana efa very ka  efa nisy vola nandeha ary izao tratra izao. Ilay tale jeneralin’orinasa mpanao lalana izay miasa amin’ny lalana RN34 izay voalaza fa atidoha amin’ny halatra avo lenta ity. Firaisana tsikombakomba maro no ao anatin’ity raharaha ity. Mitohy ny fanadihadiana ary hiatrika ny fitsarana ireo olona voarohirohy.

Yv Sam