Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Morondava : Tovovavy tsy ampy taona nahafaty vadin’olona

Novonoiny ny rafivaviny izay efa vadin’olona. Tovovavy 15 taona no nahavita izany heloka bevava izany. Raha araka ny fanazavan’ny pôlisy izay misahana ny fanadihadiana, polisy misahana ny heloka ataon’ny tsy ampy taona : «  Nanadala zaza tsy ampy taona ilay lehilahy. Fanampiny, bevohokany ilay ankizivavy ka notereny hanala zaza. Niaky ny heloka vitany moa izy rehefa nataon’ny polisy famotorana. Voalaza ihany koa fa efa nanambady ralehilahy, tamin’ny fotoana niarahany tamin’io ankizivavy io. Rehefa fantatr’ity farany ny fisian’izany dia nodarohany ilay rafivaviny (vadin-drangahy) ka maty tsy tra-drano ». Samy nidoboka am-ponja arak’izany izy roa noho ny zava-nisy. Ilay tovovavy, noho ny vonoan’olona. Ho an’ilay rangahy kosa dia noho ny fampirafesana sy fandrisihana hamono olona (nanala zaza). Tao anatin’ny fotoana fohy izany dia rava tanteraka ity tokantrano ity ary tsy vitan’izany aza fa rava tsy azo harenina intsony satria nisy ny vonoan’olona izay ny renim-pianakaviana izay mandrafitra ny tokantrano no niharan’izany. 

D.R