Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Penin’i P : Tsy misy zakaina tsy fidiny

Temps de lecture : 1 min.

Iza no milaza fa mijaly ny Malagasy ? Ny Fanjakana dia tsy mitsahatra mitatatata fa an-dalam-pivoarana ny firenena. Ny mponina kosa dia manohy ny diany ary manaiky am-pitoniana izay iainany andavanandro. Moa tsy mariky ny fankatoavana ny zotra hitsofohan’ireo mpitantana ve izany ?

Tsy tokony adinoin’ny tsirairay fa tsy misy zakaina tsy fidiny ! Moramora ny manasoketa, nymampizaka ny hafa ny fahadisoam-panantenana mahazo ny tena, saingy raha manaiky mangina sy miafina ao ambadiky ny lalàn’ny lahatra, moa tsy fihatsarambelatsihy ve izany sa kosa hakanosana ?

Hay foana ny mamoaka vava, fa rehefa tena hihetsika hitaky ny zo sy ny fahamarinana, dia mihemotra avokoa ka mitady vahaolana mamoafady!

Aiza ianao, ry Malagasy? Aza avela eo ampelatanan’ireo izay efa nisafidy hihitsoka anaty aizina ny firenenao ! Aza mihevitra dieny mialoha fa tsy handaitra ny fitakianao ny rariny sy ny hitsiny : tsy simban’ny aretim-bola sy ny fitiavan-tena avokoa akory ny Malagasy rehetra !

Mbola misy ny fahendrena, saingy miahiahy ny rehetra satria efa maro loatra ny fitaka teo anivon’ny fiarahamonina, ka toa samy very toky. 

Ka iza àry no azo hianteherana ? Fanontaniana tokony tsy ho tonga ao an’eritreritra akory izany satria toa efa milavo lefona avy hatrany ! Kanefa, raha mbola misy ny aina, dia misy ny fanantenana ! Ianao kosa anefa no antoky ny fahatanterahan’izany ho lasa zava-mivaingana hahasoa ny rehetra sy hampisondrotra!