Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Tanamasoandro. Hiditra an-tsehatra ny vondrona Al Jaber avy ao Abu Dhabi

Abu Dhabi, 30 mey 2022. Fito ireo faritra maha tong any anarana hoe: Emirats arabes unis dia: Dubaï, Sharjah, Ajman, Umm Al Quwain, Ras Al Khaimah, Fujairah ary Abu Dhabi izay Renivohitra. Tao no nihaona ny delegasiona Malagasy notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny delegasiona avy amin’ny vondrona AL JABER, notarihin’ny H.E. Obaid Khaleefa Al Jaber Al Marri, Filohan’ny filankevim-pitantanan’io vondrona arabo matanjaka dia matanjaka io. Aleho aloha ampafantarika anareo mpamaky izany atao hoe Vondrona Al Jaber izany.


Ny hoe AL JABER Group dia vondron'orinasa an'olon-tsotra fa marolafy manana ny foibeny ao Abu Dhabi, renivohitry ny Emiraty Arabo Mitambatra. Misy mpiasa maherin'ny 50.000 ao amin’ny vondrona Al Jaber, izay mampitombo ny heriny sy ny tanjany natratrarany ny toeran'ny mpitarika ny tsena manerana ny indostria sy ny sehatra iasany.

Tamin'ny alalan'ny sehatra stratejika marolafy, ny fitomboana voafehy ary ny fampiasam-bola vaovao, no nampisongadina ny vondrona eo amban’ny fitarihan'ny mpanorina azy, H.E. Obaid Khaleefa Al Jaber Al Marri, ary nivelatra ho iray amin'ireo vondrona orinasa lehibe indrindra any Moyen Orient.

Ny fahombiazan'ny Vondrona AL JABER tsy manam-paharoa dia miorina amin'ny fototra mafy orina amin'ny foto-kevitra sy toetra miavaka. Amin'ny maha-orinasa marolafy azy, dia manana fahafahana mampiasa fizarana sy loharano samihafa avy ao anatiny izy mba hifanohana sy hifameno. Miaraka amin'ny fifantohana manokana amin'ny fahafahana vaovao amin'ny tsena vaovao, ary ny fampivoarana hatrany ny vokatra, ny tolotr’asa omeny ary ny vahaolana, ny tolo-kevitry ny Vondrona AL JABER. Noho ireo rehetra io dia nihamafy nandritra ny taona maro izy, ka nahatonga ny anarany ho mitovy amin'ny fenitra avo indrindra eran'izao tontolo izao.


Hoy indrindra ny H.E. Obaid Khaleefa Al Jaber Al Marri: “ Tamin'ny taona 1970 no nanomboka ny AL JABER Group izay nifantoka voalohany tamin'ny sehatry ny fanorenana.

Io vina io dia namenoana ny firoboroboan'ny toekaren'i Abu Dhabi nandritra io vanim-potoana io tamin'ny famoronana orinasa matihanina izay afaka manatanteraka ny karazana fotodrafitrasa sy tetikasa fanorenana rehetra.

Hatramin'ny nananganana ny vondrona AL JABER dia noheverinay hatrany ho toy ny antony lehibe fahombiazana amin'ny fitomboana maharitra ny fiarovana ny vahoakanay sy ny fahasamihafànay. Nampiasa vola tamin'ny teknolojia farany izahay, nanangana sehatra indostrialy, ary nanangana orinasa fandefasana entana, fitaterana ary entana mavesatra hanohanana ny Diviziona Fanorenana mitombo. Taorian'ny 50 taona nahitana fahombiazana sy zava-bita mahatalanjona, dia mijanona ho manolo-tena amin'ny vina ho mpitarika amin'ny hetsika rehetra izahay ary mankasitraka ny Mpitondra sy ny Governemanta Abu Dhabi noho ny fahatokisany sy ny fanohanan'izy ireo naseho tao amin'ny vondrona AL JABER”.


Ohatra iray no omeko anareo eto. Fantatrareo ve fa ny taona 2018 dia tafiditra ao amin’ny boky malaza eran-tany “Guinness World Records” ny Vondrona AL JABER? Ny antony, hoy ianareo ? Nahavita nametraka jiro takamo miisa 21.416 isa eny amin’ny arabem-bahoaka iray (“une voie publique”) ny AL JABER Transport & General Contracting LLC niaraka tamin’ny orinasa Abu Dabhi General Services Company - Musanada.


Tsy kisendrasendra mihitsy izany no nahatonga ny Filoha Andry Rajoelina nanapaka hevitra fa ity Vondrona AL JABER ity no anisan’ireo orisana goavana hanampy amin’ny fanorenena ny Tanana vaovao (“ville nouvelle”) Tanamasoandro.


Ary dia io 30 mey 2022 voalaza ery am-boalohany io, tany Abu Dhabi, no andro nanaovana Sonia an’ny atao hoe “mémorandum d’entente” na azo adika amin’ny hoe fifanarahana an-tsoratra mirakitra ny fepetra tsy maintsy hapetraky ny firenena Malagasy sy ny vondrona AL JABER. Ny minisitry ny ny Varotra sy ny Indostria, Edgard Razafindravahy no nisolo tenan’ny Repoblika Malagasy. Teo koa ny solontenan’ny Vondrona ONE WORLD IMPACT CAPITAL.


Fa inona moa ireo fepetra tsy maintsy harahan’ny andaniny sy ny ankilany ? Ireto misy fepetra dimy tsara ho fantatra :

-Ny fanajana ny tontolo iainana;

-Ny famoronana asa maro ho an'ny vahoaka Malagasy;

-Ny 60%-n’ny akora sy ny fitaovana ampiasaina dia ho vokarina eto Madagasikara avokoa. Izany no tsy maintsy hatao mba hampihena ny fandaniana vokatry ny fanafarana sy ny fitaterana ary ny fivezivezen’ireo fitaovana ilaina;

-Toerana na « sites » miisa enina (06) no hatsangan'ny Vondrona AL JABER hahafahana manao ny famokarana izay akora sy fitaovana ilaina eto Madagasikara amin'ny fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro.;

-Ny fanajana ny kalitaon’ny asa fanamboarana ary ny fifamindranan-dàlana amin’izany ny fanafainganana ny fanatanterahana ny asa izay tsy maintsy vita ao anatin’ny fe-potoana nomena. Ny orinasa EGIS no handray an-tànana ny asa ary orinasa DIGICO KT no hisehatra eo amin'ny fametrahana ireo fotodrafitr’asa eo amin'ny lafiny haitao ara-kajy mirindra sy ny fifandraisana.


Nampahatsiahivin’ny Filoha Andry Rajoelina fa “Firenena manana ny maha izy azy i Madagasikara ary tsy maintsy ho fitaratra manerana an'ny Afrika”.

Jeannot Ramambazafy – 1 Jona 2022