Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Toliara : Zaza varira mianadahy saika nalain’ny dahalo an-keriny

Temps de lecture : 1 min.

Notafihin’ny dahalo fito mirongo fitaovam-piadiana ny tanàna iray tany Analambarika, kaominina Ankazoabo. Zaza varira 2, mianadahy, vavikely 11 volana sy lahikely 3 taona, no nokasain’ireo dahalo nalaina an-keriny tao amin’ny trano nisy ireo zaza ireo, ny harivan’ ny alarobia sahabo ho tamin’ny 8 ora sy sasany alina. Niantso vonjy ny olona tao an-tanàna nanoloana izany.

Tsy niandry ela ny andrimasompokonolona sy ny mpitandro filaminana tao fa tonga ara-potoana tany an-toerana rehefa nahare ny antso vonjy nataon’ireto voatafika ka vaky nandositra ireto mpanafika ary avotra soa aman-tsara ireo zaza ireo. Vaky nandositra ireo dahalo tamin’izany.

Vokatry ny fanarahan-dia nataon’ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona dia voasambotra ireo olona fito voalaza ho tompon’antoka tamin’izao fanafihana sy fikasana haka an-keriny ireo zaza varira ireo.

« Mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro ny filaminana any Ankazoabo, hamongorana ifotony ireo tambajotra atidoha mikotrika izao fakana ankeriny zaza varira izao », hoy ny fanazavana. Marihina fa efa maro ihany zaza varira nisy naka an-keriny tany amin’ny faritra Atsimo tany, ary betsaka koa ny avotra soa aman-tsara. Nisy ihany koa ny olona voasambora tamin’izany. Hatreto aloha, voalaza fa ataon’ny dahalo amin’ny ody gasy ny mason’ireny ankizy ireny. Mitohy ny fanadihadiana.

Yv Sam