Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Tsaralalàna : Karàna nitondra volabe lasibatry ny mpangarom-paosy

Omaly tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany antoandro tany ho any, tetsy Tsaralalàna, amin’iny lalana avy eny Isotry mivoaka any Analakely iny. Vola mifatotra maromaro no lasan’ity tovolahy iray teny amin’ny teratany karàna. Soa ihany, mailo ity farany, azo ireo vola, saingy tafaporitsaka ilay mpanendaka. Tsy lavitry ny toby fivarotana solika iray teny an-toerana ity tranga ity omaly. Nanararaotra ny fahabetsahan’ny olona amin’izao ankatoky ny fety izao ireo mpanao ratsy, ka tamin’izany indrindra no nitilian’izy ireo ity teratany vahiny nandeha an-tongotra sy nibaby ity kitapo ity, hihazo an’i Tsaralalàna. Efa narahan’ity tovolahy nampiahiahy ity efa lavitra izy, raha ny filazan’ireo nanatri-maso saingy teo amin’io toerana io no nohararaotany nisavàna ilay kitapo avy ao aoriana. Fatoram-bola misimisy ihany no azon’io tontakely io tao anatin’ilay kitapo. Tsikaritr’ity teratany vahiny ity anefa izany zavatra izany ka raha iny iry voalohany handeha hitsoaka iny no voarainy tamin’ny vozon’akanjony. Ilay vola teny an-tanan’ilay tovolahy no nifampisitomana voalohany ary azon’ny tompony ihany nony farany. Tao anatin’izay sakoroka kely, nampiherika ny mpandalo rehetra izay moa, no niezaka niala tamin’ny fisintonan’ilay karàna ingahirany no sady nanao tongotra an-katoka, nitsoaka nihazo ireo elakelan-trano teny an-toerana. Ilay tompon’ny vola kosa, niditra haingana tamin’ny iray tamin’ireo trano lehibe teny an-toerana, angamba somary naka saina aloha sy tsy sahy nanohy ny lalàny intsony. Raha ny nambaran’ireo mpivarotra sy mpiantsena teny an-toerana dia « raofina amin’ny sobika ireo tontakely, mpangaraom-paosy sy mpanendaka eny amin’iny faritra iny amin’izao ». Mila mailo tanteraka araka izany rehefa handeha hiantsena eny.

m.L