Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Vondron-tobim-paritra Imerina centrale : Jiolahy 162 voasambotra, 19 maty voatifitra tao anatin’ny sivy volana

Azo lazaina fa tafiditra ao anatin’ny faritra mena amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana ny iray tamin’ireo disitrika, eo ambany andraikitry ny vondron-tobim-paritry ny zandary « Imerina Centrale » (IC). Tsy nikely aina tamin’izany anefa ny tompon’andraikitra voalohany amin’izany vondron-tobim-paritra izany, ny Kp Andriambeloniaina Safidiniavo Toky, fa vao mainka aza nataony ho risi-po izany ary nanomezany ohatra akaiky ho an’ireo olom-peheziny. Misy fotoana mantsy dia ity manamboninahitra ity mihitsy no mirotsaka an-tsehatra, mandrindra ireo hetsika maro isan-karazany amin’ny fanenjehana dahalo na amin’ny fanentanana ny olona ho amin’ny « tanagmaron’ny fandriam-pahalemana ». Tao anatin’izay fotoana nifehezany izany vondron-tobim-paritra IC izany, araka izany, izany hoe nanomboka ny 30 aogositra 2021 teo dia maromaro ihany ireo vokatra efa azon’ireo olombelona eo ambany fibaikony : nahatratra teo amin’ny 162 teo ireo olon-dratsy voasambotra (mpangalatra omby, mpaka an-keriny, mpanao sarintsarina mpaka an-keriny ary jiolahy mitam-piadiana). Nahatratra 19 kosa ireo jiolahy lavo, sendra ny basin’ireo miaramilany. Nisy tompon’andraiki-panjakana sy olon-tsotra mpamotsy omby halatra 21 isa nosamborina. Tao anatin’izany rehetra izany dia nisy ireo olon-dratsy nitolo-batana, nisy ny mpanao vola sandoka sy ny fitaovana nogiazana. Ny ady amin’ny trafika isan-karazany eny amin’ny lalam-pirenena, manginy fotsiny. Tsy rano mandalo an-damosin-gana fotsiny anefa izany vokatra izany fa hita mivaingana eny ifotony. Antony iray, nanosika ireo malala-tanana hanampy izany vondron-tobim-paritry ny zandary izany amin’ny lafiny fampitaovana isan-karazany.

Nangonin’i m.L