Madagascar
This article was added by the user . TheWorldNews is not responsible for the content of the platform.

Zaza nentin’ny mpanampy nitsoaka : Tafakatra fito ireo olona voasambotra

Nitana ny sain’ny mpanara-baovao rehetra tokoa iny tranga niseho tetsy Iavoloha Bongatsara iny, raha nentin’ny mpanampin’izy ireo nitsoaka ny zanaky ny mpampiasa azy. Soa ihany, hita ary avotra soa aman-tsara ilay zazakely vao roa taona monja, ary voasambotra ihany koa ilay mpanampy nahavanon-doza, raha nikasa ny haka volabe tamin’ireo ray aman-dreniny. Vao niseho moa ity trangana hala-jaza ity, ny 25 may lasa teo, dia nampandre avy hatrany ny zandary avy etsy amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy ny renin’ity zaza very ity. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireto tompon’andraikitry ny filaminana ary nanomboka ny fanadihadiana sy ny fikarohana ilay mpanampy, izay fantatra fa nitondra an-keriny ilay zazakely. Marihina fa nisy fotoana niantso ny ray aman-drenin’ireo zaza ity mpanampy tsy vanona ity ary nitaky vola 100 tapitrisa ariary ho tambin’ny famotsorana izany zazakely teny am-pelatanany izany. Niainga tamin’io fifandraisana io no nahafahan’ny zandary nikaroka ity nahavanon-doza, niampy ireo angom-baovao maro isan-karazany. Ny ampitson’io fakàna an-keriny io ihany moa dia fantatra ny toerana nisy ilay mpanampy ary voasambotra teny amin’iny faritra Ambaravarankazo Ambohimanarina iny ity farany. Avotra soa aman-tsara, tsy naninona kosa ilay zaza. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha, fa rehefa natao ny famotorana ilay mpanampy dia fantatra fa manana mpiray tsikombakomba maro ity farany, nahafahany nanao izany heloka bevava izany. Nitohy teo indray araka izany ny fisambora maro isan-karazany, rehefa natoron’ity vehivavy mpanampy ity avokoa ireo olona niaraka taminy. Tao anatin’izany, tovolahy iray sy ny vadiny, izay isan’ny mpanampy tao an-tokatranon’ireo lasibatra. Nisy vehivavy iray ihany koa mpitsikilo sy mpanomana paik’ady.

Zandary sandoka. Tovovavy iray sy olona iray hafa ihany koa no nosamborina teny amin’iny faritra Anatihazo Isotry iny, izay voatondro ho nanafina ilay zazakely sy ny nitondra azy, ny alin’ny 25 may io. Ankoatra izay dia nisy ihany koa raha ny fantatra, tovolahy iray, izay nilaza fa zandary, nanatona an’ilay renin’ilay zaza taorian’ny fahaverezany. Izany hoe mety ho tetik’ady entina hampandriana saina an’ity farany ity fotsiny. Rehefa tena nofotorana anefa dia voalaza fa zandary sandoka izy io fa tsy tena mpitandro filaminana velively. Raha zohina araka izany ity tantara ity dia tsy kisendrasendra velively no nahatonga io mpanampy io hiditra tao amin’ilay ramatoa fa mety ho tetika efa voaomana tanteraka teo aloha, matoa efa mipetrapetraka tsara avokoa ny zavatra rehetra. Saingy tetika nandamoka ihany, noho ny fahaiza-manaon’ireo mpitandro filaminana. Nentina notazomina natao andrimaso tao amin’ny biraon’ny zandary tao Andoharanofotsy avokoa moa izy fito, voarohirohy tamin’ity tranga ity ary natolotra teny anivon’ny Fampanoavana omaly. Somary mavesabesatra ihany moa ny vesatra anenjehana azy ireo, ka hatramin’ny omaly hariva nanoratanay dia mbola tsy nivaly izay fanolorana azy ireo teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana izay.

m.L